< Return to Video

Rachel Pike: Ny siansa ao ambadik'ireo lohantenin-dahatsoratra mahakasika ny toetrandro

  • 0:00 - 0:03
    Ny tiako ho resahina androany dia ny lanjan'
  • 0:03 - 0:05
    ireo ezaka ataon'ny mpikaroka nahatongavana
  • 0:05 - 0:07
    amin'ireo lohatenin-dahatsoratra hitanareo amin'ny gazety.
  • 0:07 - 0:09
    Toy izato ireo lohateny rehefa ny fiovan'ny toetrandro no resahina,
  • 0:09 - 0:13
    ary toy izatsy kosa rehefa momba ny hatsaran'ny rivotra iainana na momba ny "smog" (zavona arahin-tsetroka).
  • 0:13 - 0:16
    Samy sampana avy amin'ny taranja siansan'ny atmôsfera izy roa ireo.
  • 0:16 - 0:18
    Vao vetivety izay no nahitana lohateny toy izao
  • 0:18 - 0:20
    raha nanao tatitra momba ny fahazoana ny firafitra sy fiasan'ny atmosfera
  • 0:20 - 0:24
    ny IPCC, vondrona mpikaroka iraisam-pirenena manaraka ny fiovan'ny toetrandro.
  • 0:24 - 0:26
    Mpahay siansa 620
  • 0:26 - 0:28
    avy amin'ny firenena 40 no nanoratra ity tatitra ity.
  • 0:28 - 0:30
    Mahatratra arivo pejy eo ho eo ity tatitra ity.
  • 0:30 - 0:33
    Ary mpanitsy sy mpahay siansa maherin'ny 400,
  • 0:33 - 0:36
    avy amin'ny firenena 113 no nanitsy an'ireo takelaka ireo.
  • 0:36 - 0:39
    Fivondronambe izany. Lehibe tokoa, hany ka
  • 0:39 - 0:42
    rehefa misy ny fivoriana fanaonay isan-taona, dia io no fivondronan'ny mpahay siansa lehibe indrindra eto an-tany.
  • 0:42 - 0:45
    Mpahay siansa 15.000 mahery no mankany San Francisco isan-taona hamonjy azy io.
  • 0:45 - 0:47
    Ary ny tsirairay amin'ireo mpahay siansa ireo dia ao anatin'ny vondrom-pikaroka,
  • 0:47 - 0:50
    ary ny vondrom-pikaroka tsirairay avy dia mikaroka lohahevitra samihafa.
  • 0:50 - 0:53
    Ho anay ao Cambridge, dia toy ny fiovaovan'ny El Niño izany lohahevitra izany,
  • 0:53 - 0:55
    mahakasika ny toetrandro,
  • 0:55 - 0:57
    ny famotopotorana ireo vokatra azo avy amin'ny zana-bolana,
  • 0:57 - 1:00
    hatramin'ireo entona avy amin'ny fambolena izao azo anaovana solika voajanahary, izay efa nanaovako fikarohana.
  • 1:00 - 1:03
    Ary ao amin'ireo seha-pikarohana tsirairay avy ireo,
  • 1:03 - 1:05
    dia misy ireo mpianatra ho PhD (dokotera), toa ahy,
  • 1:05 - 1:07
    izay mandinika lohahevitra farak'izay bitika,
  • 1:07 - 1:09
    bitika toy ny sela vitsivitsy.
  • 1:09 - 1:12
    Ary isan'ireo sela anaovako fikarohana ny "isoprène",
  • 1:12 - 1:16
    izay hitantsika eto. sela organika kely izy ity. Mety mbola tsy henonareo akory ny momba azy.
  • 1:16 - 1:18
    Ny lanjan'ny "trombone" iray dia mitovy lanja amin'ny
  • 1:18 - 1:22
    sela "isoprène" 900 zeta-illion--faha-10hatramin'ny faha-21 eo ho eo.
  • 1:22 - 1:24
    Saingy na maivan-danja ary izy io,
  • 1:24 - 1:26
    dia betsaka ihany ny votsotra mankany amin'ny atmosfera
  • 1:26 - 1:29
    isan-taona ka mitovy amin'ny lanjan'ny olona rehetra eto an-tany.
  • 1:29 - 1:32
    Betsaka ihany izany. Mitovy lanja lanja amin'ny "méthane".
  • 1:32 - 1:35
    Ary noho izy betsaka izay, dia tena misy vokany tokoa amin'ny firafitry ny atmosfera.
  • 1:35 - 1:38
    Noho izy misy vokany eo amin'ny atmosfera izay,
  • 1:38 - 1:40
    no nandihanay manokana ity zavatra ity.
  • 1:40 - 1:42
    Nozahana akaiky izy io ary nojerena ireo singa rehetra ao aminy.
  • 1:42 - 1:44
    Ito ny EUPHORE Smog Chamber any Espana.
  • 1:44 - 1:46
    Ny fipoahan'ny atmosfera, na ny firehetana feno,
  • 1:46 - 1:49
    dia mitaky fotoana lava 15.000 heny noho ny mitranga ao amin'ny fiaranareo.
  • 1:49 - 1:51
    Na izany aza, mizaha ireo singa izahay.
  • 1:51 - 1:53
    Mampiasa solosaina goavana izahay
  • 1:53 - 1:55
    hijerena ny fiasan'ny modely goavana ihany koa.
  • 1:55 - 1:57
    Ny modely ampiasanay dia misy "mailles de grilles" aman'hetsiny
  • 1:57 - 2:00
    izay natao hikajikajiana "variables" aman-jatony, isa-minitra.
  • 2:00 - 2:02
    Herinandro maro vao vita ny fampidirana ny vokatra.
  • 2:02 - 2:04
    ary fampirana vokatra am-polony
  • 2:04 - 2:06
    no atao vao azo tsara ny zava-mitranga.
  • 2:06 - 2:09
    Manao sidina ihany koa izahay eran'izao tontolo izao, mitady azy io ihany.
  • 2:09 - 2:12
    Vao vetivety aho izay no nirotsaka an-tsehatra tany Malaysie. Ary misy hafa ihany koa.
  • 2:12 - 2:14
    Nahita tilikambo fiambenana ahafahana mizaha ny atmosfera eran-tany izahay tany,
  • 2:14 - 2:16
    tany afovoan'ny ala mando tany, ary fitaovana ara-tsiansa manokana mitentina an-jatony dôlara any ho any
  • 2:16 - 2:18
    no nahantona tamin'io tilikambo be io
  • 2:18 - 2:20
    hitadiavana ny "isoprène",
  • 2:20 - 2:22
    ary, mazava ho azy, hitadiavana zavatra hafa ihany koa, rehefa teo ihany.
  • 2:22 - 2:24
    Ito ilay tilikambo be raha jerena avy ambony.
  • 2:24 - 2:26
    Ary ito kosa raha avy ambany.
  • 2:26 - 2:29
    Ary nampiasa fiaramanidina mihitsy ary izahay nadritry ny ampahany tamin'io firotsahana an-tsehatra io.
  • 2:29 - 2:32
    Fiaramanidina, BA146, izay FAAM no nanamory azy,
  • 2:32 - 2:35
    ary mahazaka olona 120 hatramin'ny 130.
  • 2:35 - 2:38
    Mety fiaramanidina toy io ihany koa no ho raisinareo raha mankany ianareo ankehitriny.
  • 2:38 - 2:41
    Saingy tsy hoe nitaingina fotsiny izahay, fa nanidina 100 metatra ambonin'ny tendron'ny hazo tao an'ala
  • 2:41 - 2:44
    handrefesana io môlekiola io--mampidi-doza ihany ilay izy.
  • 2:44 - 2:47
    Misy fitongilanana tsy maintsy notazomina mba ahafahana manao ny fandrefesana.
  • 2:47 - 2:49
    Mpanamory miaramila sy "pilotes d'essai" no niara-niasa taminay.
  • 2:49 - 2:51
    Tsy maintsy tandremana ihany koa ny elanelana aroloza.
  • 2:51 - 2:54
    Rehefa manodidina ireo lohasaha izahay dia mahatratra 2G ny hery misintona.
  • 2:54 - 2:56
    Ary tsy maintsy nampiasa "harnais de sécurité" ireo mpikaroka
  • 2:56 - 2:58
    ahafahany manao ny fandrefesana avy ao amin'ilay fiaramanidina.
  • 2:58 - 3:00
    Azonareo an-tsaina angamba,
  • 3:00 - 3:03
    fa tsy mitovy amin'ny firamanidina fitsangatsanganana mahazatra ny ao anatin'ilay fiaramanidina nampiasanay.
  • 3:03 - 3:08
    toy ny labôratoara manidina mihitsy no nampiasaina ahafahana mandrefy an'ilay môlekiola any amin'ny faritra misy azy.
  • 3:08 - 3:11
    Izany rehetra izany no natao mba ahazoana tsara ny fiasan'io môlekiola io.
  • 3:11 - 3:13
    Ary rehefa misy mpianatra mpikaroka iray, toa ahy,
  • 3:13 - 3:15
    mahita sombim-pahalalàna momba io môlekiola io,
  • 3:15 - 3:17
    dia mamoaka lahatsotra siantifika momba izany.
  • 3:17 - 3:19
    Ary tamin'io firotsahana an-tsehatra io,
  • 3:19 - 3:22
    dia lahatsotra siantifika am-polony eo ho eo, mahakasika ny endrika fiasa am-polony momba io môlekiola io no azo.
  • 3:22 - 3:24
    Ary rehefa mitambatra ireo fahalalàna ireo,
  • 3:24 - 3:27
    dia manome zana-pizaràna iray, na zana-pizaràna iray ao amin'ny
  • 3:27 - 3:30
    fanombanana toy ny IPCC, na dia misy hafa koa aza.
  • 3:30 - 3:33
    Ary ny tsirairay amin'ireo toko 11 ao amin'ny IPCC
  • 3:33 - 3:35
    dia mizara zana-pizaràna 6.
  • 3:35 - 3:37
    Hitanareo amin'izany ny haben'ny ezaka sy asa ao ambadika.
  • 3:37 - 3:39
    Ao amin'ny tsirairay amin'ireo fanombanana soratanay,
  • 3:39 - 3:41
    dia asianay marika foana ny famintinana,
  • 3:41 - 3:44
    ary natokana ho an'ny mpamaky tsotra io famintinana io.
  • 3:44 - 3:46
    Ary atolotray mpanao gazety sy mpamoron-dalàna io famintinana io,
  • 3:46 - 3:48
    ahafahana mamoaka lohatenin-dahatsoratra toa itony.
  • 3:48 - 3:50
    Misaotra betsaka.
  • 3:50 - 3:53
    (Tehaka Mirefodreafotra)
Title:
Rachel Pike: Ny siansa ao ambadik'ireo lohantenin-dahatsoratra mahakasika ny toetrandro
Speaker:
Rachel Pike
Description:

Mandritry ny 4 minitra, no anomezan'i Rachel Pike, manam-pahaizana simista momba ny atmôsfera, sombitsombiny amin'ny ezaka goavana nahatongavana amin'ireo lohatenin-dahatsoratra mikasika ny fiovan'ny toetrandro, ataony miaraka amin'ny iray tarika aminy--tarika iray ao anatin'ny arivo mandray anjara--itantarany ny sidina mampidi-doza nataony ambonin'ny ala mando, mikatsaka môlekiola manan-danja anankiray.

more » « less
Video Language:
English
Team:
closed TED
Project:
TEDTalks
Duration:
03:57
Dimitra Papageorgiou approved Malagasy subtitles for The science behind a climate headline
Andriankoto Ratozamanana accepted Malagasy subtitles for The science behind a climate headline
Andriankoto Ratozamanana edited Malagasy subtitles for The science behind a climate headline
andry ravololonjatovo added a translation

Malagasy subtitles

Revisions