Adam Grosser sy ny fampangatsiahana maharitra
-
0:01 - 0:04Tetikasa an-dalam-panatanterahana izy ity
-
0:04 - 0:07izay niainga tamin'ny fanehoan-kevitra voaray
-
0:07 - 0:08nandritra ny zaikabe TED tamin'ny 2 taona lasa,
-
0:08 - 0:12momban'ny fitehirizana ireo vaksiny.
-
0:12 - 0:13(Mozika)
-
0:13 - 0:14[Eto amin'ity planeta ity]
-
0:14 - 0:16[izay misy olona 1.6 lavitrisa]
-
0:16 - 0:18[tsy manana herinaratra]
-
0:18 - 0:22[tsy manana vata fampangatsiahana]
-
0:22 - 0:24[na koa angovo tahiry.]
-
0:26 - 0:28[Olana lehibe izany]
-
0:28 - 0:30[Misy fiantraikany ratsy amin'ny : ]
-
0:32 - 0:34[fihanak'ireo aretina maro]
-
0:34 - 0:37[fitahirizana sakafo sy fanafody]
-
0:37 - 0:40[ary hatsaran'ny fiainana.]
-
0:40 - 0:43[Ito ary ny tetika: fampangatsiahana tsy lafo sady tsy mampiasa herinaratra…]
-
0:43 - 0:48[…entona fandrehitra na karazana fandoro hafa]
-
0:48 - 0:50[ Fotoana hanomezako fampianarana kely momban'ny "thermodynamique" ]
-
0:50 - 0:53[ sy ny tantaran'ny vata fampangatsiahana mitroka sy mihodina mitsitapitapy izao. ]
-
0:53 - 0:5629 taona lasa, nisy mpampianatra thermo anay
-
0:57 - 0:58niresaka fitrohana sy fampangatsiahana.
-
0:58 - 1:00Isan'ireo zavatra mbola miraikitra ato an-tsaiko izany.
-
1:00 - 1:01Mitovitovy be amin'ny motera Stirling ilay izy:
-
1:01 - 1:03nahafinaritra saingy tsy hainay hoe afaka anaovana inona ilay izy.
-
1:04 - 1:07I Ferdinand Carre no namorona azy io tamin'ny 1858,
-
1:07 - 1:08saingy tsy afaka nanamboatra zavatra avy amin'io izy
-
1:08 - 1:11noho ireo fitaovana tamin'izany vanimpotoana izany.
-
1:11 - 1:14Ilay kanadiana jorery, Power Crosley dia
-
1:15 - 1:17nivarotra ity zavatra antsoina hoe Icyball ity tamin'ny 1928,
-
1:17 - 1:19hevitra tena maranitra izy ity,
-
1:19 - 1:20ka hazavaiko anareo ny antony tsy nahatafita azy,
-
1:20 - 1:21kanefa asehoko etoana aloha ny fomba fiasany.
-
1:22 - 1:24Misy bola roa mifampihataka lavitra.
-
1:24 - 1:26Ny iray dia ranoka miasa izay ahitana rano sy "ammoniaque"
-
1:27 - 1:28ary ny ilany hafa kosa dia kadobo (condensateur).
-
1:28 - 1:30Hafanaina ny ilany, ilay ilany mafana.
-
1:30 - 1:31Mietona ny "ammoniaque"
-
1:31 - 1:33ary mifampifanizina ny andaniny.
-
1:34 - 1:35Avela hangatsiaka amin'ny mari-pana tsotra, avy eo,
-
1:35 - 1:39mandritra ny fientonan'ny ammoniaque sy ny fifangaroany amin'ny rano
-
1:39 - 1:40amin'ilay ilany nafana teo aloha iny,
-
1:40 - 1:42manome vokatra mampangatsiaka tena mahery ilay izy.
-
1:43 - 1:46Hevitra tena tsara izay tsy nandeha akory: nipoaka mihitsy ary.
-
1:46 - 1:51Ahazoana tsindrin-drivotra mahery ny ammoniaque
-
1:51 - 1:52rehefa hafanaina tsara.
-
1:52 - 1:56Nahatratra 400psi izany. Ny ammoniaque dia poizina. Ka niparitaka be ilay izy.
-
1:56 - 1:58Saingy lazaiko hatrany fa hevitra mahaliana ilay izy.
-
1:58 - 2:01Tamin'ny taona 2006,
-
2:01 - 2:04afaka miroso amin'izay ny andrana vokatrin'ny fandrosoan'ny haikajy.
-
2:04 - 2:07Nasaina nandray anjara ny sampana thermodynamique rehetra
-
2:07 - 2:08tao Stanford.
-
2:08 - 2:09Niasa be momban'ny "dynamique des fluides" tamin'ny solosaina izahay.
-
2:10 - 2:13Voaporofonay fa ny ankamaroan'ny teknika fampangatsiahana ny ammoniaque dia diso.
-
2:13 - 2:16Nahita singa fampangatsihana tsy poiziny izahay
-
2:16 - 2:17ka afaka miasa amin'ny tsindrin-drivotra ambany.
-
2:17 - 2:20Niantso ekipa avy any Englandy izahay --
-
2:20 - 2:21Tany tsinona no ahitana olona mahay
-
2:21 - 2:23io resaka fampangatsiahana io --
-
2:23 - 2:25ary nanamboatra toera fanaovana andrana izahay ary nanaporofo fa azo atao
-
2:25 - 2:28ny manamboatra vata fampatsiahana tsy misy poizina amin'ny tsindry ambany.
-
2:29 - 2:30Toy izao ny fiasany.
-
2:30 - 2:31Apetraka eo amin'ny afo ketrika.
-
2:31 - 2:33Ny ankamaroan'ny olona izao dia mampiasa afo fahandroana,
-
2:33 - 2:34na avy amin'ny tain-drameva na kitay io.
-
2:35 - 2:38Avela hafana mandritra ny 30 minitra ka avela hangatsika adiny iray avy eo.
-
2:38 - 2:40Apetraka ao anaty tavy
-
2:41 - 2:43ary avela hangatsiaka mandritra ny 24 ora.
-
2:43 - 2:46Ohatran'ity ilay izy. Ito zao no santiona fahadimy. Mbola tsy vita tanteraka ito.
-
2:47 - 2:50Milanga 3,6 kg ary toy izao indray ny fiasany:
-
2:50 - 2:53Apetraka ao anaty tavy 15 litatra,
-
2:54 - 2:56ary mangatsiaka ho azy hatramin'ny mari-pàna miteraka ranomandry ilay izy,
-
2:56 - 2:57ventin-drefy telo miiba ny aotra.
-
2:58 - 3:01Atao mandritra ny 24 ora sy ao anaty tontolo 30 ventin-drefy Celsius. Tena mora vidy izy ity.
-
3:01 - 3:04Mieritreritra hamokatra betsaka izahay izay hamidy 25 dolara,
-
3:04 - 3:06ary karazany hafa amin'ny vidiny 40 dolara.
-
3:06 - 3:08Ny tanjonay dia afaka hampangatsiaka
-
3:09 - 3:10ny olona rehetra tsy ankanavaka.
-
3:10 - 3:11Misaotra indrindra.
-
3:11 - 3:14(Tehaka mirefodrefotra)
- Title:
- Adam Grosser sy ny fampangatsiahana maharitra
- Speaker:
- Adam Grosser
- Description:
-
Adam Grosser dia hiresaka amintsika tetikasa fanamboarana vata fampangatsiahana tsy mampiasa herinaratra, ary hamatsy io fitaovana io amin'ireo tanàna sy ireo hopitaly samihafa eto an-tany. Avy amin'ny fandalinana teknolojia efa taloha be tany, dia nahaforona fitaovana mandeha izy.
- Video Language:
- English
- Team:
closed TED
- Project:
- TEDTalks
- Duration:
- 03:13
![]() |
Dimitra Papageorgiou approved Malagasy subtitles for A mobile fridge for vaccines | |
![]() |
andry ravololonjatovo accepted Malagasy subtitles for A mobile fridge for vaccines | |
![]() |
Rijaniaina Randrianomanana edited Malagasy subtitles for A mobile fridge for vaccines | |
![]() |
Rijaniaina Randrianomanana added a translation |