1 00:00:01,560 --> 00:00:04,135 Tsy andrankandrana ity. Greta Thunberg no anarako. 2 00:00:04,375 --> 00:00:06,651 Miaina anaty famonoana faobe miharihary isika izao. 3 00:00:06,852 --> 00:00:10,212 Mihasimba ny toetr'androntsika. 4 00:00:11,171 --> 00:00:13,612 Mandao ny fianarany ireo ankizy toa ahy mba hanao hetsi-panoherana. 5 00:00:14,022 --> 00:00:18,217 Fa mbola azontsika atao ny manarina izany. 6 00:00:18,561 --> 00:00:20,897 Mbola azonao atao ny manarina izany. 7 00:00:20,897 --> 00:00:22,963 Noho izany, tokony hajanontsika ny fandoroana solika voajanahary, fa tsy ho ampy anefa raha izay ihany. 8 00:00:23,372 --> 00:00:26,577 Efa maro ireo vahaolana ifampiresahana, nahoana raha vahaolana manoloana antsika no ndeha ho ampiarina? 9 00:00:27,217 --> 00:00:29,822 Avelako hanazava momba izany ny namako, George. 10 00:00:30,112 --> 00:00:32,692 Misy fitaovana iray mahavariana afaka misintona ny karbaona anatin'ny rivotra, tsy andaniam-bola firy, 11 00:00:32,692 --> 00:00:35,412 ary mahavita tena. 12 00:00:35,682 --> 00:00:38,112 izay atao hoe ... hazo. 13 00:00:38,211 --> 00:00:42,721 Ny hazo dia vahaolana voajanahary iray ho fanorenana ny olana ara-toetr'andro. 14 00:00:42,721 --> 00:00:44,418 Ny honko, ny ala fompotra, ny ala, ny honahona, ny tontolo anaty ranomasina, ny ahidrano, 15 00:00:44,418 --> 00:00:46,466 ny henineny, ny haran-dranomasina ,dia misintona sy mitazona ny karbaona avy amin'ny rivotra avokoa. 16 00:00:46,576 --> 00:00:47,929 Fitaovana azontsika ampiasaina hamerenana amin'ny laoniny ity toetr'androntsika simba ity ny Natiora. 17 00:00:47,929 --> 00:00:48,872 Fiovàna goavana no afaka hasetrin'ireo vahaolana voajanahary ireo. 18 00:00:48,952 --> 00:00:53,692 Tsara kosa e ? 19 00:00:53,692 --> 00:00:56,502 Tsy tanteraka anefa izany raha tsy avelantsika amin'ny toerany ny solika ambanin'ny tany. 20 00:00:56,502 --> 00:00:58,772 Izao nefa no mahavariana ... tsy misy miraharaha izany isika izao. 21 00:00:58,772 --> 00:01:02,692 Mandany arivo heny lavitra ho an'ny solika ambanin'ny tany noho ny vahaolana voajanahary isika. 22 00:01:03,212 --> 00:01:07,883 2% fotsiny no voatokana ho an'ny vahaolana ho an'ny fitsinjovana ara-boajanahary ny toetr'andro 23 00:01:08,502 --> 00:01:12,325 amin'ny vola voatokana ho fanorenana ny olana eran-tany ara-toetr'andro. 24 00:01:12,325 --> 00:01:14,012 Volanao izany, ny hetranao sy ny vola nangoninao. 25 00:01:14,222 --> 00:01:17,622 Ny tena mbola mahavariana dia izao fotoana izao no tena ilaintsika ny Natiora, 26 00:01:19,702 --> 00:01:21,892 nefa manimba azy farak'izay aingana isika. 27 00:01:21,892 --> 00:01:24,402 Mahatratra 200 ny karazam-biby sy zava-maniry izay miha ringana isan'andro. 28 00:01:25,744 --> 00:01:30,548 Miha kely ny Arktika. 29 00:01:30,548 --> 00:01:32,842 Ringana ny ankamaroan'ny biby dia eran-tany. 30 00:01:32,842 --> 00:01:35,377 Miha kely ny tany mamokatra. 31 00:01:35,377 --> 00:01:39,053 Inona ary no tokony hataontsika? 32 00:01:39,394 --> 00:01:41,021 Inona no tokony hataoNAO ? 33 00:01:41,021 --> 00:01:43,468 Tsotra ... tokony Miaro, Manarina sy Mamatsy. 34 00:01:43,773 --> 00:01:44,958 Miaro. 35 00:01:44,958 --> 00:01:47,211 Ala tropikaly toy ny kianja filalaovam-baolina 36 00:01:47,211 --> 00:01:50,094 miisa 30 no voakapa isa-minitra. 37 00:01:50,094 --> 00:01:54,228 Tsy maintsy harovantsika ny Natiora, n'aiza n'aiza ilàna ny antom-pisiany. 38 00:01:54,462 --> 00:01:57,050 Manarina. 39 00:01:57,050 --> 00:01:59,029 Ampahany goavana amin'ity tanintsika ity no efa simba. 40 00:01:59,029 --> 00:02:01,012 Kanefa afaka manavao ny tenany ny Natiora 41 00:02:01,012 --> 00:02:02,813 ary afaka manampy ny tontolo iainana isika hahavitany izany. 42 00:02:02,813 --> 00:02:04,374 Mamatsy. 43 00:02:04,374 --> 00:02:05,458 Tsy tokony mamatsy n'inon'inona manimba ny natiora intsony isika 44 00:02:05,458 --> 00:02:06,225 fa kosa mamatsy izay rehetra mahatsara azy. 45 00:02:06,225 --> 00:02:07,429 Tsotra fotsiny. 46 00:02:07,429 --> 00:02:08,501 Miaro, Manarina, Mamatsy. 47 00:02:08,501 --> 00:02:09,513 Azo atao izany n'aiza n'aiza. 48 00:02:10,084 --> 00:02:11,198 Efa maro ireo olona izay nanomboka nampiasa vahaolana ara-boajanahary. 49 00:02:11,198 --> 00:02:13,325 Fa tokony hampitombo laharana azy ireo isika. 50 00:02:13,325 --> 00:02:16,153 Afaka mandray anjara ianao. 51 00:02:16,153 --> 00:02:18,679 Fidio ireo olona izay miaro ny Natiora. 52 00:02:18,679 --> 00:02:20,505 Zarao ity horonantsary ity. 53 00:02:20,505 --> 00:02:21,878 Ary hifampiresaho. 54 00:02:21,878 --> 00:02:24,581 Misy ireo hetsika lehibe erak'izao tontolo izao ho fiarovana ny Natiora. 55 00:02:24,581 --> 00:02:26,581 Mandraisa anjara! 56 00:02:26,581 --> 00:02:30,042 Manan-danja ny zava-drehetra. 57 00:02:31,051 --> 00:02:31,881 Manan-danja ny ataonao.