0:00:01.560,0:00:04.135 Tsy andrankandrana ity. [br]Greta Thunberg no anarako. 0:00:04.375,0:00:06.651 Miaina anaty famonoana faobe miharihary isika izao. 0:00:06.852,0:00:10.212 Mihasimba ny toetr'androntsika. 0:00:11.171,0:00:13.612 Mandao ny fianarany ireo ankizy toa ahy mba hanao hetsi-panoherana. 0:00:14.022,0:00:18.217 Fa mbola azontsika atao ny manarina izany. 0:00:18.561,0:00:20.897 Mbola azonao atao ny manarina izany. 0:00:20.897,0:00:22.963 Noho izany, tokony hajanontsika ny fandoroana solika voajanahary, fa tsy ho ampy anefa raha izay ihany. 0:00:23.372,0:00:26.577 Efa maro ireo vahaolana ifampiresahana, nahoana raha vahaolana manoloana antsika no ndeha ho ampiarina? 0:00:27.217,0:00:29.822 Avelako hanazava momba izany ny namako, George. 0:00:30.112,0:00:32.692 Misy fitaovana iray mahavariana afaka misintona ny karbaona anatin'ny rivotra, tsy andaniam-bola firy, 0:00:32.692,0:00:35.412 ary mahavita tena. 0:00:35.682,0:00:38.112 izay atao hoe ... hazo. 0:00:38.211,0:00:42.721 Ny hazo dia vahaolana voajanahary iray ho fanorenana ny olana ara-toetr'andro. 0:00:42.721,0:00:44.418 Ny honko, ny ala fompotra, ny ala, ny [br]honahona, ny tontolo anaty ranomasina, ny ahidrano, 0:00:44.418,0:00:46.466 ny henineny, ny haran-dranomasina ,dia misintona sy mitazona ny karbaona avy amin'ny rivotra avokoa. 0:00:46.576,0:00:47.929 Fitaovana azontsika ampiasaina hamerenana amin'ny laoniny ity toetr'androntsika simba ity ny Natiora. 0:00:47.929,0:00:48.872 Fiovàna goavana no afaka hasetrin'ireo vahaolana voajanahary ireo. 0:00:48.952,0:00:53.692 Tsara kosa e ? 0:00:53.692,0:00:56.502 Tsy tanteraka anefa izany raha tsy avelantsika amin'ny toerany ny solika ambanin'ny tany. 0:00:56.502,0:00:58.772 Izao nefa no mahavariana ... tsy misy miraharaha izany isika izao. 0:00:58.772,0:01:02.692 Mandany arivo heny lavitra ho an'ny solika ambanin'ny tany noho ny vahaolana voajanahary isika. 0:01:03.212,0:01:07.883 2% fotsiny no voatokana ho an'ny vahaolana ho an'ny fitsinjovana ara-boajanahary ny toetr'andro 0:01:08.502,0:01:12.325 amin'ny vola voatokana ho fanorenana ny olana eran-tany ara-toetr'andro. 0:01:12.325,0:01:14.012 Volanao izany, ny hetranao sy ny vola nangoninao. 0:01:14.222,0:01:17.622 Ny tena mbola mahavariana dia izao fotoana izao no tena ilaintsika ny Natiora, 0:01:19.702,0:01:21.892 nefa manimba azy farak'izay aingana isika. 0:01:21.892,0:01:24.402 Mahatratra 200 ny karazam-biby sy zava-maniry izay miha ringana isan'andro. 0:01:25.744,0:01:30.548 Miha kely ny Arktika. 0:01:30.548,0:01:32.842 Ringana ny ankamaroan'ny biby dia eran-tany. 0:01:32.842,0:01:35.377 Miha kely ny tany mamokatra. 0:01:35.377,0:01:39.053 Inona ary no tokony hataontsika? 0:01:39.394,0:01:41.021 Inona no tokony hataoNAO ? 0:01:41.021,0:01:43.468 Tsotra ... tokony Miaro, Manarina sy Mamatsy. 0:01:43.773,0:01:44.958 Miaro. 0:01:44.958,0:01:47.211 Ala tropikaly toy ny kianja filalaovam-baolina 0:01:47.211,0:01:50.094 miisa 30 no voakapa isa-minitra. 0:01:50.094,0:01:54.228 Tsy maintsy harovantsika ny Natiora, [br]n'aiza n'aiza ilàna ny antom-pisiany. 0:01:54.462,0:01:57.050 Manarina. 0:01:57.050,0:01:59.029 Ampahany goavana amin'ity tanintsika[br]ity no efa simba. 0:01:59.029,0:02:01.012 Kanefa afaka manavao ny tenany ny Natiora 0:02:01.012,0:02:02.813 ary afaka manampy ny tontolo iainana isika hahavitany izany. 0:02:02.813,0:02:04.374 Mamatsy. 0:02:04.374,0:02:05.458 Tsy tokony mamatsy n'inon'inona manimba ny natiora intsony isika 0:02:05.458,0:02:06.225 fa kosa mamatsy izay rehetra mahatsara azy. 0:02:06.225,0:02:07.429 Tsotra fotsiny. 0:02:07.429,0:02:08.501 Miaro, Manarina, Mamatsy. 0:02:08.501,0:02:09.513 Azo atao izany n'aiza n'aiza. 0:02:10.084,0:02:11.198 Efa maro ireo olona izay nanomboka nampiasa vahaolana ara-boajanahary. 0:02:11.198,0:02:13.325 Fa tokony hampitombo laharana azy ireo isika. 0:02:13.325,0:02:16.153 Afaka mandray anjara ianao. 0:02:16.153,0:02:18.679 Fidio ireo olona izay miaro ny Natiora. 0:02:18.679,0:02:20.505 Zarao ity horonantsary ity. 0:02:20.505,0:02:21.878 Ary hifampiresaho. 0:02:21.878,0:02:24.581 Misy ireo hetsika lehibe erak'izao tontolo izao ho fiarovana ny Natiora. 0:02:24.581,0:02:26.581 Mandraisa anjara! 0:02:26.581,0:02:30.042 Manan-danja ny zava-drehetra. 0:02:31.051,0:02:31.881 Manan-danja ny ataonao.