< Return to Video

TEDxTeen - Natalie Warne - Tanora ary mametraka tantara

  • 0:11 - 0:13
    Salama daholo.
  • 0:13 - 0:17
    Ny reniko dia vehivavy mainty hoditra matanjaka
  • 0:17 - 0:21
    izay nitaiza ireo zanany mba hanana izay hery sy hambom-po izay.
  • 0:21 - 0:23
    Tao amin'ny trano nisy anay,
  • 0:23 - 0:26
    any atsimon'i Chicago, dia nisy sary teo amin'ny rindrina nibahana tao an-tsainay.
  • 0:26 - 0:28
    Sary anankiroa no nihantona teo amin'ilay rindrina:
  • 0:28 - 0:31
    Sary lehibe ahitana anay mpiray tam-po ny anankiray,
  • 0:31 - 0:34
    ary ny anankiray kosa sarin'ny mamanay fony izy roa ambiny folo taona,
  • 0:34 - 0:38
    mibanjina an'i Martin Luther King Jr. amin'ny masony.
  • 0:38 - 0:41
    Fony aho mbola kely dia fanaoko ny mitsingitsingina,
  • 0:41 - 0:44
    mandinika io sary io, mikipy kely
  • 0:44 - 0:45
    ary manofinofy hoe izaho ilay eo amin'ny sary,
  • 0:45 - 0:49
    mijery lay lehilahy nanova zava-dehibe momba ny zon'ny olom-pirenena,
  • 0:49 - 0:52
    nitarika matso nankeny Washington ary nanova tanteraka ny mpiray vanim-potoana taminy
  • 0:52 - 0:54
    tamin'ny alalan'ity fehezan-teny hoe: "Nanonofy aho."
  • 0:54 - 0:56
    Naniry ny hihaona taminy aho.
  • 0:56 - 0:58
    Mazava ho azy fa tsy nifanojo tamin'i Dr. King mihitsy aho,
  • 0:58 - 1:01
    saingy nihaona tamin'ni Dr. Vincent Harding kosa aho.
  • 1:01 - 1:03
    niara-niasa hatramin'ny voalohany tamin'i Dr. King izy
  • 1:03 - 1:06
    ary nanoratra ny sasantsasany tamin'ireo kabariny malaza indrindra mihitsy aza.
  • 1:06 - 1:08
    Hitanareo, fotoana lehibe ho ahy tokoa io amin'ny maha-ankizy ahy tamin'izany,
  • 1:08 - 1:10
    satria tamin'izany no nahatonga saina ahy voalohany
  • 1:10 - 1:13
    fa tsy ny Dr. King irery no nitarika io fanovam-penitra io,
  • 1:13 - 1:16
    fa betsaka ireo olona nanodidina azy,
  • 1:16 - 1:20
    tsy fantatra anarana kanefa nahavita zava-dehibe ihany koa.
  • 1:20 - 1:23
    Olona miavaka tsy fantatra anarana izay nanokan-tena hiasa ho an'ny hafa
  • 1:23 - 1:25
    ary nitolona mafy ho an'ireo zavatra inoany fa marina.
  • 1:25 - 1:28
    Olona nentanin'ny faharesen-dahatra fa tsy ny fankasitrahana.
  • 1:28 - 1:31
    elaela aho vao nahazo ny tena maha-zava-dehibe an'io fotoana io,
  • 1:31 - 1:33
    raha tsy efa lehibe kokoa.
  • 1:33 - 1:35
    Ary arakay ny efa nolazaiko lehibe tany Chicago aho.
  • 1:35 - 1:37
    Fiaraha-monina mahantra sy sahirana no nisy anay
  • 1:37 - 1:38
    saingy tsy dia nivakiana loha loatra izany amin'ny maha-zaza ahy tamin'izany
  • 1:38 - 1:41
    satria nanana ny fianakaviana tsy mampino indrindra eto an-tany aho.
  • 1:41 - 1:44
    Zavatra roa anisan'ny niadiako fony izaho mbola zaza,
  • 1:44 - 1:47
    ny iray dia ny aretin'ny dadanay, nandritry ny fiainako manontolo.
  • 1:47 - 1:51
    Aretin'i Parkinson sy aretin'ny sarakaty no nahazo azy,
  • 1:51 - 1:53
    ary amin'ny maha-zaza ahy tamin'izany dia sarotra tokoa
  • 1:53 - 1:55
    ny nahita ity olona izay noraisiko ho "olona mahery indrindra eto an-tany", tao anaty fijaliana mafy.
  • 1:55 - 1:58
    Ny olana faharoa dia mahakasika ahy manokana.
  • 1:58 - 2:00
    Fantatro fa mety hiteny ianareo hoe misy olana momba ny maha-singan'olona ahy aho,
  • 2:00 - 2:03
    Nifindra in-efatra aho nandritra ny fianarana ambaratonga ambony
  • 2:03 - 2:06
    ary tamina sekoly feno mpanavakava-bolo-koditra be mihitsy no nanaovako ny taona voalohany tamin'ny ambaratonga ambony.
  • 2:06 - 2:09
    Ratsy fanahy tokoa ireo ankizy tao. Nandefa taratasy maneho fankahalàna,
  • 2:09 - 2:11
    nanoratra hafatra mamohetra tamin'ireo "placards"-nay ary
  • 2:11 - 2:12
    satria izaho safiotra, dia hoy izy ireo tamiko hoe:
  • 2:12 - 2:15
    "Tsy afaka ny ho izy roa ianao. Mila misafidy--na mainty na fotsy."
  • 2:15 - 2:18
    Niafarany dia lasa nampalaina ahy ny ho mainty na ny ho fotsy.
  • 2:18 - 2:20
    Ary tampoka teo, rehefa nifindra kilasy ambony, tany amin'ny 2008 tany ho any
  • 2:20 - 2:22
    dia toa lasa tian'ny olona sy lasa lamaody kely
  • 2:22 - 2:23
    ny hoe mifangaro sy metisy.
  • 2:23 - 2:26
    Hoy ny sasany hoe:"Tsy maninona intsony ny mitia an-dry amin'izao ry Natalie. Efa milay indry izao."
  • 2:26 - 2:28
    Leo be aho.
  • 2:28 - 2:30
    Tena leo aho mieritreritra ny hevitry ny sasany.
  • 2:30 - 2:32
    ary nataoko izay vitako rehetra mba hanafaingana
  • 2:32 - 2:34
    ny fifindrako kilasy, n'inona n'inona izay sekoly hisy ahy manaraka eo,
  • 2:34 - 2:36
    ary mila mahazo diplaoma.
  • 2:36 - 2:38
    Tsy vita izany raha tsy efa izaho fito ambiny folo taona
  • 2:38 - 2:40
    ka nahita ity sarimihetsika hoe: "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso"
  • 2:40 - 2:44
    ary nisy zavatra nitranga.
  • 2:44 - 2:46
    Ankizy miaramila.
  • 2:46 - 2:49
    Ankizy tanora kely mitovy taona amin'ireo zana-kavako,
  • 2:49 - 2:52
    no alaina an-keriny, omena AK47 ary asaina mamono olona,
  • 2:52 - 2:55
    ary matetika aza dia ireo ray aman-dreniny mihitsy no terena ho vonoiny,
  • 2:55 - 2:57
    ireo mpiray tam-po aminy.
  • 2:57 - 3:00
    Tafika mpioko, mamono olona faobe
  • 3:00 - 3:03
    tsy noho ny antony politika na ara-pivavahana--fa noho ny antony hafa.
  • 3:03 - 3:06
    Dimy amby roapolo taona.
  • 3:06 - 3:09
    Dimby amby roapolo taona izay no naharetan'ity ady ity.
  • 3:09 - 3:11
    Roapolo taona aho izao, izany hoe
  • 3:11 - 3:13
    mbola zokiko dimy taona io ady io.
  • 3:13 - 3:18
    Lehilahy iray, izay nanam-peo miavaka
  • 3:18 - 3:20
    no nanomboka an'io zava-drehetra io.
  • 3:20 - 3:22
    Joseph Kony no anarany.
  • 3:22 - 3:24
    Nisy zavatra nitranga teo amiko raha nahita ity sarimihetsika ity aho.
  • 3:24 - 3:26
    Nisy zavatra nanomboka nihetsiketsika tao anatiko
  • 3:26 - 3:28
    ary tsy mety fantatro hoe inona ilay izy.
  • 3:28 - 3:30
    Tsy fantatro raha hatezerana ilay izy, na fiantràna,
  • 3:30 - 3:33
    na hoe nahatsiaro diso aho satria sambany aho
  • 3:33 - 3:36
    no nahafantatra ny fisiana ady maharitra dimy amby roapolo taona izany.
  • 3:36 - 3:37
    Tsy vitako akory na ny hanome anarana izany.
  • 3:37 - 3:39
    Ny hany fantatro dia toa ny nanorisory ahy ilay izy ary
  • 3:39 - 3:40
    nanomboka nametra-panontaniana aho:
  • 3:40 - 3:41
    Inona no ataoko?
  • 3:41 - 3:43
    Inona no zavatra vitan'izay zaza fito amby folo taona?
  • 3:43 - 3:45
    Omeo zavatra aho.
  • 3:45 - 3:47
    Ary nanome tokoa izy ireo.
  • 3:47 - 3:49
    Ireo mpamorona sy mpanatontosa ilay horonantsary "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso"
  • 3:49 - 3:51
    dia nilaza tamiko fa misy volavolan-dalàna iray
  • 3:51 - 3:53
    izay, raha vitako ny manao izay maha-lany azy,
  • 3:53 - 3:54
    dia hahatongavana amin'ny zavatra anankiroa:
  • 3:54 - 3:56
    Ny voalohany dia ny fisamborana an'i Joseph Kony,
  • 3:56 - 3:58
    sy ireo mpibaiko ambony ao amin'io tafika mpioko io.
  • 3:58 - 4:00
    Ary ny faharoa, ny famatsiana ny famerenana amin'ny laoniny
  • 4:00 - 4:02
    ireo faritra potik'ity
  • 4:02 - 4:03
    ady naharitra dimy amby roapolo taona ity.
  • 4:03 - 4:05
    Ary hoy aho hoe:"Raikitra, aleoko ataoko izany,
  • 4:05 - 4:08
    ary mianiana aho fa tsy maintsy hataoko iay tratrako rehetra hanatanterahana izany".
  • 4:08 - 4:12
    Niaraka tamin'ny tanora sivifolo hafa aho
  • 4:12 - 4:13
    valo amby folo ka hatramin'ny roampolo taona, mitovy fijery,
  • 4:13 - 4:17
    naka fiaramanidina ho any San Diego miaraka amin'ny avy ao amin'ny "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso"
  • 4:17 - 4:20
    navelako mihitsy aloha ny fianarako, tsy nahazoanay karama io zavatra io,
  • 4:20 - 4:22
    ary mety hilaza ianareo hoe tsy tompon'andraikitra aho--izany rahateo no nolazain'ny ray aman-dreniko--
  • 4:22 - 4:26
    saingy ho anay kosa dia hadalana izany hoe tsy handeha.
  • 4:26 - 4:29
    Samy nahatsapa izay hamehana izay izahay
  • 4:29 - 4:32
    ary vonona ny hanao izay vitanay hahalany io volavolan-dalàna io.
  • 4:32 - 4:34
    Nahazo ny lahasa voalohany ary izahay:
  • 4:34 - 4:35
    hikarakara hetsika antsoina hoe
  • 4:35 - 4:38
    "Famonjena ireo ankizy miaramilan'i Joseph Kony"
  • 4:38 - 4:40
    ka hatrehan'ny mpandray anjara
  • 4:40 - 4:41
    amin'ny tanàn-dehibe aman'arivony eran-tany
  • 4:41 - 4:45
    ary hivory eo afovoan-tanàna mandra-pahatongan'ny
  • 4:45 - 4:48
    olo-malaza na mpanao politika ka handraisany fitenenana amin'ny anaran'ireo ankizy miaramila.
  • 4:48 - 4:50
    Ary rehefa tratra izay tanjona izay dia holazaina hoe"voavonjy" ny tanàn-dehibe tsirairay avy.
  • 4:50 - 4:52
    Fa ny nanahirana
  • 4:52 - 4:54
    dia tsy mahazo mandao ilay tanàn-dehibe izahay mandra-pahavoavonjy azy.
  • 4:54 - 4:57
    Chicago sy tanàn-dehibe sivy hafa no anjarako.
  • 4:57 - 4:58
    ary hoy aho tamin'ireo lehibeko hoe,
  • 4:58 - 5:00
    "Raha hitady olo-malaza ihany,
  • 5:00 - 5:03
    maninona raha tonga dia ilay renin-tantely mihitsy?Maninona raha i Oprah Winfrey?"
  • 5:03 - 5:05
    Nieritreritra izy ireo hoe manonofinofy loatra aho.
  • 5:05 - 5:07
    Saingy, raha ny fahitako azy, zavatra goavana no eritreretina hatao.
  • 5:07 - 5:08
    Zavatra tsy ho vita no atao,
  • 5:08 - 5:11
    ka maninona raha tonga dia zavatra farak'izay tsy ho vita mihitsy no kasaina?
  • 5:11 - 5:15
    Janoary hatramin'ny aprily no enjehina ahavitana izany.
  • 5:15 - 5:19
    Izao no fitambaran'ny ora lany nikarakara ny fitaovana,
  • 5:19 - 5:21
    ny fahazoan-dàlana hatramin'ny famoriana ireo mpandray anjara
  • 5:21 - 5:23
    ary ny fitadiavana ireo toerana.
  • 5:23 - 5:26
    Izao indray ny isan'ny fandàvana
  • 5:26 - 5:30
    avy amin'ireo sekireteran'ny mpanao poltika sy olo-malaza.
  • 5:30 - 5:35
    Izao kosa ny vola laniko manokana tamin'ny Red Bull sy Diet Coke
  • 5:35 - 5:36
    mba handresena torimaso nandritra ny fikarakarana.
  • 5:36 - 5:38
    (Hehy)
  • 5:38 - 5:40
    Afaka mitsara ahy ianareo raha tianareo.
  • 5:40 - 5:42
    Ito ny faktioran'ny hopitaly
  • 5:42 - 5:43
    tamin'izaho nitsabo ilay aretin'ny voa azoko
  • 5:43 - 5:47
    noho ny fisotroako kafe be loatra.
  • 5:47 - 5:49
    Sombiny amin'ireozavatra tsy misy dikany vitsivitsy ireny
  • 5:49 - 5:51
    izay nataonay mba hahavita io hetsika io.
  • 5:51 - 5:54
    Tonga ihany ny faha iraikamby roapolon'ny volana aprily ary nanomboka ilay hetsika.
  • 5:54 - 5:57
    tanàn-dehibe an'arivony eran-tany--tanàn-dehibe mahafinaritra.
  • 5:57 - 6:00
    enina andro tay aoriana, voavonjy avokoa ireo tanàna ireoafa-tsy iray ihany:
  • 6:00 - 6:02
    Chicago.
  • 6:02 - 6:04
    Niandry tao an-tanàna ary izahay.
  • 6:04 - 6:06
    Nanomboka tonga avy amin'izao tontolo izao ny olona,
  • 6:06 - 6:08
    mba hanatevin-daharana
  • 6:08 - 6:10
    ary hampiaraka ny feony aminay.
  • 6:10 - 6:14
    Nony farany, ny voalohan'ny volana may, nitangorona tao amin'ny studion'i Oprah izahay.
  • 6:14 - 6:16
    ary nihaino anay izy.
  • 6:16 - 6:17
    Ity misy sombiny tamin'ilay horonantsariny
  • 6:17 - 6:18
    "Together We are Free"
  • 6:18 - 6:19
    mampiseho ilay hetsika famonjena
  • 6:19 - 6:21
    sy ireo ezaka nataoko hahazoana an'i Oprah.
  • 6:23 - 6:25
    (Video) Oprah: Voalohany raha nankaty amin'ny birao aho tamin'ny maraina
  • 6:25 - 6:26
    dia nisy ity...
  • 6:26 - 6:28
    Rehefa niditra daholo ianareo, mbola nisy olona nitangorona moa tany ivelany?
  • 6:28 - 6:29
    Mpijery: Eny.
  • 6:29 - 6:32
    Oprah: ... nilanja sora-baventy ry zareo mangataka ny hiresaka amiko
  • 6:32 - 6:36
    mandritry ny dimy minitra, ary mahafaly ahy izany
  • 6:36 - 6:39
    ary niaraka tamin'ilay tarika antsoina hoe "Invisdible Children" ry zareo
  • 6:39 - 6:41
    dia nilazako ilay olona tao ivelany hoe
  • 6:41 - 6:44
    afaka hiresaka aminy dimy minitra aho.
  • 6:44 - 6:47
    Lehilahy iray tao anaty olona: Oprah, misaotra betsaka anao mandray anay.
  • 6:47 - 6:49
    Raha tsorina dia ireto olona tatsy ivelany
  • 6:49 - 6:53
    dia nahita ny tantaran'ireo ankizy telo alina
  • 6:53 - 6:57
    nalain'ny sefo miaramila mpioko, antsoina hoe Joseph Kony, an-keriny.
  • 6:57 - 7:00
    Ary izay firaisan-kina izay no nampivory azy ireo tao
  • 7:00 - 7:01
    efa ho enina andro izay.
  • 7:01 - 7:04
    Olona iray hetsy maneran-tany no niantombohany.
  • 7:04 - 7:07
    Nidina dimanjato izany ary mbola mijoro,
  • 7:07 - 7:09
    mampahafantatra ny fisian'ity olana ity
  • 7:09 - 7:12
    ahafahantsika mamarana ilay ady lava indrindra tany Afrika
  • 7:12 - 7:15
    ka mamonjy ireo ankizy miaramila
  • 7:15 - 7:17
    izay mbola misy any Afrika Atsinanana.
  • 7:17 - 7:19
    Lehilahy iray: Oprah, Natalie no anaran'ity sipakely ity,
  • 7:19 - 7:20
    valo amby folo taona izy.
  • 7:20 - 7:22
    Intern tao aminay izy tamin'ity taona ity
  • 7:22 - 7:25
    ary nilaza hoe: "Ny tanjoko dia ny hahazo an'i Oprah."
  • 7:25 - 7:27
    Nahatarika olona roa arivo izy tamin'ny sabotsy
  • 7:27 - 7:28
    saingy nanorana tamin'izay.
  • 7:28 - 7:32
    Nijoro teo amin'ny orana teo izy niraka tamin'ny olona dimampolo.
  • 7:32 - 7:33
    Raha naheo ry zareo hoe teo izy dia nanomboka tonga.
  • 7:33 - 7:36
    Misy avy any Mexico , Aostralia.
  • 7:36 - 7:37
    Valo amby folo taona i Natalie.
  • 7:37 - 7:39
    Aza mieritreritra hoe tanora loatra ianao.
  • 7:39 - 7:41
    Afaka manova ny zava-misy ianao na oviana na oviana.
  • 7:41 - 7:43
    Atombohy izao, atombohy androany.
  • 7:43 - 7:46
    (Fankasitrahana)
  • 7:48 - 7:50
    Lehilahy iray tao anaty vahoaka: Nendrika natao ve ilay izy?
  • 7:50 - 7:53
    Vahoaka: Ie!
  • 7:54 - 8:04
    Natalie! Natalie! Natalie!
  • 8:04 - 8:09
    Afaka isika raha mitambatra! Afaka isika raha mitambatra!
  • 8:13 - 8:17
    (Tehaka mirefodrefotra)
  • 8:17 - 8:20
    hieritreritra ianao hoe io no fotoana tamin'ny fiainako,
  • 8:20 - 8:23
    ny andro fandresena nahatonga ahy ho olona miavaka.
  • 8:23 - 8:25
    Ary fotoana nahafinaritra tokoa io.
  • 8:25 - 8:27
    Ny tiako ho tenenina, tonga teny an-tampony aho.
  • 8:27 - 8:29
    Olona an-tapitrisa no mijery ny fandaharan'i Oprah Winfrey.
  • 8:29 - 8:31
    Fa raha atao jery todika, tsy izay ilay izy.
  • 8:31 - 8:32
    Aza disoana aho,
  • 8:32 - 8:33
    raha niteny hoe fotoana lehibe io.
  • 8:33 - 8:36
    Nataoko sary "profil" milay be tamin'ny Facebook nandritry ny herinandro io.
  • 8:36 - 8:40
    Saingy niavaka io nandritry izany rehetra izany.
  • 8:40 - 8:42
    Ary tsy izaho irery.
  • 8:42 - 8:44
    Hitanareo, na dia hita atao anatin'ny horonantsariny ary ny tantarako,
  • 8:44 - 8:46
    dia "interne" iray tao anatin'ny zato aho
  • 8:46 - 8:49
    nanao ny ainy tsy ho zavatra ahatrarana izao tanjona izao.
  • 8:50 - 8:53
    Lanjaina aho, fa ilay bandy izay manao ahy antsangory,
  • 8:53 - 8:55
    dia namako be mihitsy.
  • 8:55 - 8:56
    Johannes Oberman no anaranay
  • 8:56 - 8:58
    niara-niasa tamiko hatramin'ny voalohany tany Chicago i Johannes--
  • 8:58 - 9:02
    mitovy ny halavan'ny ora, ny alina tsy natoriana nandalovanay.
  • 9:03 - 9:05
    Ilay sipakely eo ankavanana dia i Bethany Bylsma.
  • 9:05 - 9:07
    Bethany no niandraikitra an'i New york City sy Boston
  • 9:07 - 9:11
    ary ireo no hetsika tsara indrindra vitanay.
  • 9:11 - 9:13
    Ilay sipakely eo ankavia dia i Colleen.
  • 9:13 - 9:17
    Nankany Mexico i Colleen, nadritry ny telo volana,
  • 9:17 - 9:18
    nikarakara hetsika dimy,
  • 9:18 - 9:21
    kanefa voatery niala alohan'ny hanombohan'ny hetsika
  • 9:21 - 9:23
    nohon'ny valan'aretina "gripan'ny kisoa".
  • 9:23 - 9:26
    Ary nisy ihany koa an'ity fianakaviana iray.
  • 9:26 - 9:28
    Tsy nanatrika ilay hetsika ry zareo,
  • 9:28 - 9:29
    tsy afaka,
  • 9:29 - 9:32
    fa nampividy pizza zato ho anay,
  • 9:32 - 9:35
    naterina teo amin'ny kihon-dàlan'iMichigan sy Randolph
  • 9:35 - 9:36
    izay nanaovanay ilay hetsika mangina.
  • 9:36 - 9:38
    Hitanareo, olona toy ireo,
  • 9:38 - 9:40
    manao izay afany,
  • 9:40 - 9:42
    miara-mientana, miray saina,
  • 9:42 - 9:43
    tsy miraharaha namisy mahita na tsia--
  • 9:43 - 9:45
    no nahatanterahana izao rehetra izao.
  • 9:45 - 9:48
    Tsy dia ilay hoe fahazoana an'i Oprah akory.
  • 9:48 - 9:49
    Satria raha nidina teo an-tsangory aho,
  • 9:49 - 9:51
    dia tsy tapitra akory ilay ady.
  • 9:51 - 9:52
    Fa momba ity volavolan-dalàna.
  • 9:52 - 9:54
    Dingana iray tsy maintsy nandalovana fotsiny i Oprah.
  • 9:54 - 9:56
    Ilay volavolan-dalàna no tena zava-dehibe.
  • 9:56 - 9:58
    Io no nifantohana hatramin'ny voalohany.
  • 9:58 - 10:01
    Io no afaka hamarana ilay ady lava indrindra tany Afrika,
  • 10:01 - 10:04
    ary io no nahatonga ireo olona anketsiny
  • 10:04 - 10:07
    tonga hamonjy avy amin'ny vazan-tany efatra.
  • 10:07 - 10:09
    Ary nody ventiny ny rano nantsakaina.
  • 10:10 - 10:12
    Folo andro taorian'ny nahitana an'i Oprah,
  • 10:12 - 10:15
    nodinihan'ny Kongresy ilay volavolan-dalàna.
  • 10:15 - 10:17
    Iray taona taorian'izay,
  • 10:17 - 10:20
    nahazo mpanohana fito amby enimpolo sy roanjato ilay izy
  • 10:20 - 10:22
    tao amin'ny kongresy.
  • 10:22 - 10:25
    Ary herinandro taorian'izay,
  • 10:25 - 10:28
    nosoniavin'i filoha Obama ka lasa lalàna ilay izy.
  • 10:28 - 10:32
    (Tehatehaka)
  • 10:35 - 10:38
    Ary tsy izahay "internes" ireo no tokony ho eo.
  • 10:38 - 10:39
    Tsy tokony ho eo izahay.
  • 10:39 - 10:41
    Ireo lehibenay no teo.
  • 10:41 - 10:42
    Ry zareo ireo olona niketrika tao ambadika.
  • 10:42 - 10:43
    (Hehy)
  • 10:43 - 10:46
    Saingy io fotoana io
  • 10:46 - 10:48
    no anton'izany rehetra izany.
  • 10:48 - 10:51
    Olona tsy mitonona anrana anketsiny
  • 10:51 - 10:55
    no nahavita izao.
  • 10:55 - 10:57
    Ilay tany amin'i Oprah,
  • 10:57 - 11:00
    no nanaporofo fa azo atao tsara ilay heverina fa tsy ho vita mihitsy.
  • 11:00 - 11:02
    Ireo no nanamafy ny fahatokisan-tenanay.
  • 11:02 - 11:04
    Saingy ireo fotoana ireo dia mbola tsy mahavita hetsika.
  • 11:04 - 11:06
    Na atmbatra daholo ary ireo fotoana ireo
  • 11:06 - 11:08
    dia mbola tsy ampy hanaovana hetsika.
  • 11:08 - 11:09
    Ny mamelona ny hetsika iray
  • 11:09 - 11:12
    dia ireo olona tsy mitonona anarana ao ambadika.
  • 11:12 - 11:12
    Ho ahy manokana,
  • 11:12 - 11:14
    ny nanosika ahy hanao azy io
  • 11:14 - 11:16
    dia ny fieritreretako ireo ankizy miaramila.
  • 11:16 - 11:17
    Noraisiko ho adiko manokana ilay izy.
  • 11:17 - 11:18
    Nankany Afrika mihitsy ary aho.
  • 11:18 - 11:20
    Nihaona tamin'ireo ankizy ireo.
  • 11:20 - 11:21
    Manana namana
  • 11:21 - 11:23
    niaina an'io ady io
  • 11:23 - 11:25
    nandritry ny fiainany aho ary noraisiko ho adiko koa ilay izy.
  • 11:25 - 11:28
    Fa tsy tokony ho izay no hanosika anao.
  • 11:28 - 11:31
    mety mba tianao raha ianao no Shepard Fairey vaovao
  • 11:31 - 11:34
    na ny J.K Rowling manaraka eo
  • 11:34 - 11:36
    na iza na iza, tsy olana.
  • 11:36 - 11:38
    Fa na inona na inona tianao, dia katsaho
  • 11:38 - 11:40
    ampiasao ny anananao rehetra--
  • 11:40 - 11:42
    tsy noho ny laza sy harena,
  • 11:42 - 11:44
    fa noho ny zavatra inoanao fa marina.
  • 11:44 - 11:45
    Satria izany no mampihira ny fonao.
  • 11:45 - 11:48
    Izany no dihinao.
  • 11:49 - 11:52
    Izany no hamaritra ny mpiray vanin'andro aminao--
  • 11:52 - 11:53
    rehefa manomboka mikatsaka sy miady
  • 11:53 - 11:54
    ho an'ireo zavatra tiantsika isika
  • 11:54 - 11:56
    ary ireo zavatra tiantsika hiadiana.
  • 11:56 - 11:57
    Fony mbola nianatra dia nivaky loha be
  • 11:57 - 11:58
    tamin'izay eritreretin'ny hafa momba ahy aho.
  • 11:58 - 12:01
    Izany no tena mampiavaka ity conférence ity.
  • 12:01 - 12:02
    Betsaka aminareo no tanora tokoa.
  • 12:02 - 12:04
    Tadiavo ilay zavatra hanainga ny sainao,
  • 12:04 - 12:06
    tianao, ary katsaho.
  • 12:06 - 12:07
    Miadia ho an'izay zavatra izay.
  • 12:07 - 12:09
    Satria iany no hanova ny tontolo
  • 12:09 - 12:11
    ary izany no mamaritra antsika.
  • 12:11 - 12:13
    Na inona na inona eritreretin'ny hafa
  • 12:13 - 12:15
    ireo fotoana tany amin'i Oprah, tamin'ny TED,
  • 12:15 - 12:16
    dia tsy mamaritra ahy.
  • 12:16 - 12:18
    Satria raha hiaraka amiko any LA ianareo,
  • 12:18 - 12:20
    dia hahita ahy miasa manao "serveuse",
  • 12:20 - 12:22
    manao izay afako mandoa faktiora
  • 12:22 - 12:25
    mikatsaka ny nofiko, dia ny ho lasa mpanao horonantsary.
  • 12:25 - 12:28
    Ao amin'ireo asa mangina, miverimberina,
  • 12:28 - 12:30
    isan'andro ireo,
  • 12:30 - 12:34
    dia averiko ato an-tsaiko fa miavaka aho.
  • 12:34 - 12:36
    Ary minoa ahy ianareo, rehefa mikatona ny varavarana
  • 12:36 - 12:39
    ary mipika ireo caméra, dia mafy tokoa.
  • 12:39 - 12:41
    Fa raha misy zavatra iray tiako hentinareo mody,
  • 12:41 - 12:42
    zavatra iray afaka lazaiko
  • 12:42 - 12:44
    tsy aminareo ihany fa na amiko koa aza,
  • 12:44 - 12:47
    dia ny asa vita no mampiavaka antsika,
  • 12:47 - 12:48
    fa tsy ireo fotoana tany amin'i Oprah.
  • 12:48 - 12:50
    Misaotra anareo.
Title:
TEDxTeen - Natalie Warne - Tanora ary mametraka tantara
Description:

Tamin'i Natalie Warne 18 taona no niara-niasa tamin'ilay hetsika "invisible Children", ka nahatonga azy ho "héroine" ho an'ireo tanora "activistes". Mampatsiahy antsika izy fa tsy ny maha-tanora sy kely taona akory no mahasakana antsika tsy hanova ny zava-misy eto an-tany.

more » « less
Video Language:
English
Team:
closed TED
Project:
TEDxTalks
Duration:
12:52

Malagasy subtitles

Revisions