TEDxTeen - Natalie Warne - Tanora ary mametraka tantara
-
0:11 - 0:13Salama daholo.
-
0:13 - 0:17Ny reniko dia vehivavy mainty hoditra matanjaka
-
0:17 - 0:21izay nitaiza ireo zanany mba hanana izay hery sy hambom-po izay.
-
0:21 - 0:23Tao amin'ny trano nisy anay,
-
0:23 - 0:26any atsimon'i Chicago, dia nisy sary teo amin'ny rindrina nibahana tao an-tsainay.
-
0:26 - 0:28Sary anankiroa no nihantona teo amin'ilay rindrina:
-
0:28 - 0:31Sary lehibe ahitana anay mpiray tam-po ny anankiray,
-
0:31 - 0:34ary ny anankiray kosa sarin'ny mamanay fony izy roa ambiny folo taona,
-
0:34 - 0:38mibanjina an'i Martin Luther King Jr. amin'ny masony.
-
0:38 - 0:41Fony aho mbola kely dia fanaoko ny mitsingitsingina,
-
0:41 - 0:44mandinika io sary io, mikipy kely
-
0:44 - 0:45ary manofinofy hoe izaho ilay eo amin'ny sary,
-
0:45 - 0:49mijery lay lehilahy nanova zava-dehibe momba ny zon'ny olom-pirenena,
-
0:49 - 0:52nitarika matso nankeny Washington ary nanova tanteraka ny mpiray vanim-potoana taminy
-
0:52 - 0:54tamin'ny alalan'ity fehezan-teny hoe: "Nanonofy aho."
-
0:54 - 0:56Naniry ny hihaona taminy aho.
-
0:56 - 0:58Mazava ho azy fa tsy nifanojo tamin'i Dr. King mihitsy aho,
-
0:58 - 1:01saingy nihaona tamin'ni Dr. Vincent Harding kosa aho.
-
1:01 - 1:03niara-niasa hatramin'ny voalohany tamin'i Dr. King izy
-
1:03 - 1:06ary nanoratra ny sasantsasany tamin'ireo kabariny malaza indrindra mihitsy aza.
-
1:06 - 1:08Hitanareo, fotoana lehibe ho ahy tokoa io amin'ny maha-ankizy ahy tamin'izany,
-
1:08 - 1:10satria tamin'izany no nahatonga saina ahy voalohany
-
1:10 - 1:13fa tsy ny Dr. King irery no nitarika io fanovam-penitra io,
-
1:13 - 1:16fa betsaka ireo olona nanodidina azy,
-
1:16 - 1:20tsy fantatra anarana kanefa nahavita zava-dehibe ihany koa.
-
1:20 - 1:23Olona miavaka tsy fantatra anarana izay nanokan-tena hiasa ho an'ny hafa
-
1:23 - 1:25ary nitolona mafy ho an'ireo zavatra inoany fa marina.
-
1:25 - 1:28Olona nentanin'ny faharesen-dahatra fa tsy ny fankasitrahana.
-
1:28 - 1:31elaela aho vao nahazo ny tena maha-zava-dehibe an'io fotoana io,
-
1:31 - 1:33raha tsy efa lehibe kokoa.
-
1:33 - 1:35Ary arakay ny efa nolazaiko lehibe tany Chicago aho.
-
1:35 - 1:37Fiaraha-monina mahantra sy sahirana no nisy anay
-
1:37 - 1:38saingy tsy dia nivakiana loha loatra izany amin'ny maha-zaza ahy tamin'izany
-
1:38 - 1:41satria nanana ny fianakaviana tsy mampino indrindra eto an-tany aho.
-
1:41 - 1:44Zavatra roa anisan'ny niadiako fony izaho mbola zaza,
-
1:44 - 1:47ny iray dia ny aretin'ny dadanay, nandritry ny fiainako manontolo.
-
1:47 - 1:51Aretin'i Parkinson sy aretin'ny sarakaty no nahazo azy,
-
1:51 - 1:53ary amin'ny maha-zaza ahy tamin'izany dia sarotra tokoa
-
1:53 - 1:55ny nahita ity olona izay noraisiko ho "olona mahery indrindra eto an-tany", tao anaty fijaliana mafy.
-
1:55 - 1:58Ny olana faharoa dia mahakasika ahy manokana.
-
1:58 - 2:00Fantatro fa mety hiteny ianareo hoe misy olana momba ny maha-singan'olona ahy aho,
-
2:00 - 2:03Nifindra in-efatra aho nandritra ny fianarana ambaratonga ambony
-
2:03 - 2:06ary tamina sekoly feno mpanavakava-bolo-koditra be mihitsy no nanaovako ny taona voalohany tamin'ny ambaratonga ambony.
-
2:06 - 2:09Ratsy fanahy tokoa ireo ankizy tao. Nandefa taratasy maneho fankahalàna,
-
2:09 - 2:11nanoratra hafatra mamohetra tamin'ireo "placards"-nay ary
-
2:11 - 2:12satria izaho safiotra, dia hoy izy ireo tamiko hoe:
-
2:12 - 2:15"Tsy afaka ny ho izy roa ianao. Mila misafidy--na mainty na fotsy."
-
2:15 - 2:18Niafarany dia lasa nampalaina ahy ny ho mainty na ny ho fotsy.
-
2:18 - 2:20Ary tampoka teo, rehefa nifindra kilasy ambony, tany amin'ny 2008 tany ho any
-
2:20 - 2:22dia toa lasa tian'ny olona sy lasa lamaody kely
-
2:22 - 2:23ny hoe mifangaro sy metisy.
-
2:23 - 2:26Hoy ny sasany hoe:"Tsy maninona intsony ny mitia an-dry amin'izao ry Natalie. Efa milay indry izao."
-
2:26 - 2:28Leo be aho.
-
2:28 - 2:30Tena leo aho mieritreritra ny hevitry ny sasany.
-
2:30 - 2:32ary nataoko izay vitako rehetra mba hanafaingana
-
2:32 - 2:34ny fifindrako kilasy, n'inona n'inona izay sekoly hisy ahy manaraka eo,
-
2:34 - 2:36ary mila mahazo diplaoma.
-
2:36 - 2:38Tsy vita izany raha tsy efa izaho fito ambiny folo taona
-
2:38 - 2:40ka nahita ity sarimihetsika hoe: "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso"
-
2:40 - 2:44ary nisy zavatra nitranga.
-
2:44 - 2:46Ankizy miaramila.
-
2:46 - 2:49Ankizy tanora kely mitovy taona amin'ireo zana-kavako,
-
2:49 - 2:52no alaina an-keriny, omena AK47 ary asaina mamono olona,
-
2:52 - 2:55ary matetika aza dia ireo ray aman-dreniny mihitsy no terena ho vonoiny,
-
2:55 - 2:57ireo mpiray tam-po aminy.
-
2:57 - 3:00Tafika mpioko, mamono olona faobe
-
3:00 - 3:03tsy noho ny antony politika na ara-pivavahana--fa noho ny antony hafa.
-
3:03 - 3:06Dimy amby roapolo taona.
-
3:06 - 3:09Dimby amby roapolo taona izay no naharetan'ity ady ity.
-
3:09 - 3:11Roapolo taona aho izao, izany hoe
-
3:11 - 3:13mbola zokiko dimy taona io ady io.
-
3:13 - 3:18Lehilahy iray, izay nanam-peo miavaka
-
3:18 - 3:20no nanomboka an'io zava-drehetra io.
-
3:20 - 3:22Joseph Kony no anarany.
-
3:22 - 3:24Nisy zavatra nitranga teo amiko raha nahita ity sarimihetsika ity aho.
-
3:24 - 3:26Nisy zavatra nanomboka nihetsiketsika tao anatiko
-
3:26 - 3:28ary tsy mety fantatro hoe inona ilay izy.
-
3:28 - 3:30Tsy fantatro raha hatezerana ilay izy, na fiantràna,
-
3:30 - 3:33na hoe nahatsiaro diso aho satria sambany aho
-
3:33 - 3:36no nahafantatra ny fisiana ady maharitra dimy amby roapolo taona izany.
-
3:36 - 3:37Tsy vitako akory na ny hanome anarana izany.
-
3:37 - 3:39Ny hany fantatro dia toa ny nanorisory ahy ilay izy ary
-
3:39 - 3:40nanomboka nametra-panontaniana aho:
-
3:40 - 3:41Inona no ataoko?
-
3:41 - 3:43Inona no zavatra vitan'izay zaza fito amby folo taona?
-
3:43 - 3:45Omeo zavatra aho.
-
3:45 - 3:47Ary nanome tokoa izy ireo.
-
3:47 - 3:49Ireo mpamorona sy mpanatontosa ilay horonantsary "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso"
-
3:49 - 3:51dia nilaza tamiko fa misy volavolan-dalàna iray
-
3:51 - 3:53izay, raha vitako ny manao izay maha-lany azy,
-
3:53 - 3:54dia hahatongavana amin'ny zavatra anankiroa:
-
3:54 - 3:56Ny voalohany dia ny fisamborana an'i Joseph Kony,
-
3:56 - 3:58sy ireo mpibaiko ambony ao amin'io tafika mpioko io.
-
3:58 - 4:00Ary ny faharoa, ny famatsiana ny famerenana amin'ny laoniny
-
4:00 - 4:02ireo faritra potik'ity
-
4:02 - 4:03ady naharitra dimy amby roapolo taona ity.
-
4:03 - 4:05Ary hoy aho hoe:"Raikitra, aleoko ataoko izany,
-
4:05 - 4:08ary mianiana aho fa tsy maintsy hataoko iay tratrako rehetra hanatanterahana izany".
-
4:08 - 4:12Niaraka tamin'ny tanora sivifolo hafa aho
-
4:12 - 4:13valo amby folo ka hatramin'ny roampolo taona, mitovy fijery,
-
4:13 - 4:17naka fiaramanidina ho any San Diego miaraka amin'ny avy ao amin'ny "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso"
-
4:17 - 4:20navelako mihitsy aloha ny fianarako, tsy nahazoanay karama io zavatra io,
-
4:20 - 4:22ary mety hilaza ianareo hoe tsy tompon'andraikitra aho--izany rahateo no nolazain'ny ray aman-dreniko--
-
4:22 - 4:26saingy ho anay kosa dia hadalana izany hoe tsy handeha.
-
4:26 - 4:29Samy nahatsapa izay hamehana izay izahay
-
4:29 - 4:32ary vonona ny hanao izay vitanay hahalany io volavolan-dalàna io.
-
4:32 - 4:34Nahazo ny lahasa voalohany ary izahay:
-
4:34 - 4:35hikarakara hetsika antsoina hoe
-
4:35 - 4:38"Famonjena ireo ankizy miaramilan'i Joseph Kony"
-
4:38 - 4:40ka hatrehan'ny mpandray anjara
-
4:40 - 4:41amin'ny tanàn-dehibe aman'arivony eran-tany
-
4:41 - 4:45ary hivory eo afovoan-tanàna mandra-pahatongan'ny
-
4:45 - 4:48olo-malaza na mpanao politika ka handraisany fitenenana amin'ny anaran'ireo ankizy miaramila.
-
4:48 - 4:50Ary rehefa tratra izay tanjona izay dia holazaina hoe"voavonjy" ny tanàn-dehibe tsirairay avy.
-
4:50 - 4:52Fa ny nanahirana
-
4:52 - 4:54dia tsy mahazo mandao ilay tanàn-dehibe izahay mandra-pahavoavonjy azy.
-
4:54 - 4:57Chicago sy tanàn-dehibe sivy hafa no anjarako.
-
4:57 - 4:58ary hoy aho tamin'ireo lehibeko hoe,
-
4:58 - 5:00"Raha hitady olo-malaza ihany,
-
5:00 - 5:03maninona raha tonga dia ilay renin-tantely mihitsy?Maninona raha i Oprah Winfrey?"
-
5:03 - 5:05Nieritreritra izy ireo hoe manonofinofy loatra aho.
-
5:05 - 5:07Saingy, raha ny fahitako azy, zavatra goavana no eritreretina hatao.
-
5:07 - 5:08Zavatra tsy ho vita no atao,
-
5:08 - 5:11ka maninona raha tonga dia zavatra farak'izay tsy ho vita mihitsy no kasaina?
-
5:11 - 5:15Janoary hatramin'ny aprily no enjehina ahavitana izany.
-
5:15 - 5:19Izao no fitambaran'ny ora lany nikarakara ny fitaovana,
-
5:19 - 5:21ny fahazoan-dàlana hatramin'ny famoriana ireo mpandray anjara
-
5:21 - 5:23ary ny fitadiavana ireo toerana.
-
5:23 - 5:26Izao indray ny isan'ny fandàvana
-
5:26 - 5:30avy amin'ireo sekireteran'ny mpanao poltika sy olo-malaza.
-
5:30 - 5:35Izao kosa ny vola laniko manokana tamin'ny Red Bull sy Diet Coke
-
5:35 - 5:36mba handresena torimaso nandritra ny fikarakarana.
-
5:36 - 5:38(Hehy)
-
5:38 - 5:40Afaka mitsara ahy ianareo raha tianareo.
-
5:40 - 5:42Ito ny faktioran'ny hopitaly
-
5:42 - 5:43tamin'izaho nitsabo ilay aretin'ny voa azoko
-
5:43 - 5:47noho ny fisotroako kafe be loatra.
-
5:47 - 5:49Sombiny amin'ireozavatra tsy misy dikany vitsivitsy ireny
-
5:49 - 5:51izay nataonay mba hahavita io hetsika io.
-
5:51 - 5:54Tonga ihany ny faha iraikamby roapolon'ny volana aprily ary nanomboka ilay hetsika.
-
5:54 - 5:57tanàn-dehibe an'arivony eran-tany--tanàn-dehibe mahafinaritra.
-
5:57 - 6:00enina andro tay aoriana, voavonjy avokoa ireo tanàna ireoafa-tsy iray ihany:
-
6:00 - 6:02Chicago.
-
6:02 - 6:04Niandry tao an-tanàna ary izahay.
-
6:04 - 6:06Nanomboka tonga avy amin'izao tontolo izao ny olona,
-
6:06 - 6:08mba hanatevin-daharana
-
6:08 - 6:10ary hampiaraka ny feony aminay.
-
6:10 - 6:14Nony farany, ny voalohan'ny volana may, nitangorona tao amin'ny studion'i Oprah izahay.
-
6:14 - 6:16ary nihaino anay izy.
-
6:16 - 6:17Ity misy sombiny tamin'ilay horonantsariny
-
6:17 - 6:18"Together We are Free"
-
6:18 - 6:19mampiseho ilay hetsika famonjena
-
6:19 - 6:21sy ireo ezaka nataoko hahazoana an'i Oprah.
-
6:23 - 6:25(Video) Oprah: Voalohany raha nankaty amin'ny birao aho tamin'ny maraina
-
6:25 - 6:26dia nisy ity...
-
6:26 - 6:28Rehefa niditra daholo ianareo, mbola nisy olona nitangorona moa tany ivelany?
-
6:28 - 6:29Mpijery: Eny.
-
6:29 - 6:32Oprah: ... nilanja sora-baventy ry zareo mangataka ny hiresaka amiko
-
6:32 - 6:36mandritry ny dimy minitra, ary mahafaly ahy izany
-
6:36 - 6:39ary niaraka tamin'ilay tarika antsoina hoe "Invisdible Children" ry zareo
-
6:39 - 6:41dia nilazako ilay olona tao ivelany hoe
-
6:41 - 6:44afaka hiresaka aminy dimy minitra aho.
-
6:44 - 6:47Lehilahy iray tao anaty olona: Oprah, misaotra betsaka anao mandray anay.
-
6:47 - 6:49Raha tsorina dia ireto olona tatsy ivelany
-
6:49 - 6:53dia nahita ny tantaran'ireo ankizy telo alina
-
6:53 - 6:57nalain'ny sefo miaramila mpioko, antsoina hoe Joseph Kony, an-keriny.
-
6:57 - 7:00Ary izay firaisan-kina izay no nampivory azy ireo tao
-
7:00 - 7:01efa ho enina andro izay.
-
7:01 - 7:04Olona iray hetsy maneran-tany no niantombohany.
-
7:04 - 7:07Nidina dimanjato izany ary mbola mijoro,
-
7:07 - 7:09mampahafantatra ny fisian'ity olana ity
-
7:09 - 7:12ahafahantsika mamarana ilay ady lava indrindra tany Afrika
-
7:12 - 7:15ka mamonjy ireo ankizy miaramila
-
7:15 - 7:17izay mbola misy any Afrika Atsinanana.
-
7:17 - 7:19Lehilahy iray: Oprah, Natalie no anaran'ity sipakely ity,
-
7:19 - 7:20valo amby folo taona izy.
-
7:20 - 7:22Intern tao aminay izy tamin'ity taona ity
-
7:22 - 7:25ary nilaza hoe: "Ny tanjoko dia ny hahazo an'i Oprah."
-
7:25 - 7:27Nahatarika olona roa arivo izy tamin'ny sabotsy
-
7:27 - 7:28saingy nanorana tamin'izay.
-
7:28 - 7:32Nijoro teo amin'ny orana teo izy niraka tamin'ny olona dimampolo.
-
7:32 - 7:33Raha naheo ry zareo hoe teo izy dia nanomboka tonga.
-
7:33 - 7:36Misy avy any Mexico , Aostralia.
-
7:36 - 7:37Valo amby folo taona i Natalie.
-
7:37 - 7:39Aza mieritreritra hoe tanora loatra ianao.
-
7:39 - 7:41Afaka manova ny zava-misy ianao na oviana na oviana.
-
7:41 - 7:43Atombohy izao, atombohy androany.
-
7:43 - 7:46(Fankasitrahana)
-
7:48 - 7:50Lehilahy iray tao anaty vahoaka: Nendrika natao ve ilay izy?
-
7:50 - 7:53Vahoaka: Ie!
-
7:54 - 8:04Natalie! Natalie! Natalie!
-
8:04 - 8:09Afaka isika raha mitambatra! Afaka isika raha mitambatra!
-
8:13 - 8:17(Tehaka mirefodrefotra)
-
8:17 - 8:20hieritreritra ianao hoe io no fotoana tamin'ny fiainako,
-
8:20 - 8:23ny andro fandresena nahatonga ahy ho olona miavaka.
-
8:23 - 8:25Ary fotoana nahafinaritra tokoa io.
-
8:25 - 8:27Ny tiako ho tenenina, tonga teny an-tampony aho.
-
8:27 - 8:29Olona an-tapitrisa no mijery ny fandaharan'i Oprah Winfrey.
-
8:29 - 8:31Fa raha atao jery todika, tsy izay ilay izy.
-
8:31 - 8:32Aza disoana aho,
-
8:32 - 8:33raha niteny hoe fotoana lehibe io.
-
8:33 - 8:36Nataoko sary "profil" milay be tamin'ny Facebook nandritry ny herinandro io.
-
8:36 - 8:40Saingy niavaka io nandritry izany rehetra izany.
-
8:40 - 8:42Ary tsy izaho irery.
-
8:42 - 8:44Hitanareo, na dia hita atao anatin'ny horonantsariny ary ny tantarako,
-
8:44 - 8:46dia "interne" iray tao anatin'ny zato aho
-
8:46 - 8:49nanao ny ainy tsy ho zavatra ahatrarana izao tanjona izao.
-
8:50 - 8:53Lanjaina aho, fa ilay bandy izay manao ahy antsangory,
-
8:53 - 8:55dia namako be mihitsy.
-
8:55 - 8:56Johannes Oberman no anaranay
-
8:56 - 8:58niara-niasa tamiko hatramin'ny voalohany tany Chicago i Johannes--
-
8:58 - 9:02mitovy ny halavan'ny ora, ny alina tsy natoriana nandalovanay.
-
9:03 - 9:05Ilay sipakely eo ankavanana dia i Bethany Bylsma.
-
9:05 - 9:07Bethany no niandraikitra an'i New york City sy Boston
-
9:07 - 9:11ary ireo no hetsika tsara indrindra vitanay.
-
9:11 - 9:13Ilay sipakely eo ankavia dia i Colleen.
-
9:13 - 9:17Nankany Mexico i Colleen, nadritry ny telo volana,
-
9:17 - 9:18nikarakara hetsika dimy,
-
9:18 - 9:21kanefa voatery niala alohan'ny hanombohan'ny hetsika
-
9:21 - 9:23nohon'ny valan'aretina "gripan'ny kisoa".
-
9:23 - 9:26Ary nisy ihany koa an'ity fianakaviana iray.
-
9:26 - 9:28Tsy nanatrika ilay hetsika ry zareo,
-
9:28 - 9:29tsy afaka,
-
9:29 - 9:32fa nampividy pizza zato ho anay,
-
9:32 - 9:35naterina teo amin'ny kihon-dàlan'iMichigan sy Randolph
-
9:35 - 9:36izay nanaovanay ilay hetsika mangina.
-
9:36 - 9:38Hitanareo, olona toy ireo,
-
9:38 - 9:40manao izay afany,
-
9:40 - 9:42miara-mientana, miray saina,
-
9:42 - 9:43tsy miraharaha namisy mahita na tsia--
-
9:43 - 9:45no nahatanterahana izao rehetra izao.
-
9:45 - 9:48Tsy dia ilay hoe fahazoana an'i Oprah akory.
-
9:48 - 9:49Satria raha nidina teo an-tsangory aho,
-
9:49 - 9:51dia tsy tapitra akory ilay ady.
-
9:51 - 9:52Fa momba ity volavolan-dalàna.
-
9:52 - 9:54Dingana iray tsy maintsy nandalovana fotsiny i Oprah.
-
9:54 - 9:56Ilay volavolan-dalàna no tena zava-dehibe.
-
9:56 - 9:58Io no nifantohana hatramin'ny voalohany.
-
9:58 - 10:01Io no afaka hamarana ilay ady lava indrindra tany Afrika,
-
10:01 - 10:04ary io no nahatonga ireo olona anketsiny
-
10:04 - 10:07tonga hamonjy avy amin'ny vazan-tany efatra.
-
10:07 - 10:09Ary nody ventiny ny rano nantsakaina.
-
10:10 - 10:12Folo andro taorian'ny nahitana an'i Oprah,
-
10:12 - 10:15nodinihan'ny Kongresy ilay volavolan-dalàna.
-
10:15 - 10:17Iray taona taorian'izay,
-
10:17 - 10:20nahazo mpanohana fito amby enimpolo sy roanjato ilay izy
-
10:20 - 10:22tao amin'ny kongresy.
-
10:22 - 10:25Ary herinandro taorian'izay,
-
10:25 - 10:28nosoniavin'i filoha Obama ka lasa lalàna ilay izy.
-
10:28 - 10:32(Tehatehaka)
-
10:35 - 10:38Ary tsy izahay "internes" ireo no tokony ho eo.
-
10:38 - 10:39Tsy tokony ho eo izahay.
-
10:39 - 10:41Ireo lehibenay no teo.
-
10:41 - 10:42Ry zareo ireo olona niketrika tao ambadika.
-
10:42 - 10:43(Hehy)
-
10:43 - 10:46Saingy io fotoana io
-
10:46 - 10:48no anton'izany rehetra izany.
-
10:48 - 10:51Olona tsy mitonona anrana anketsiny
-
10:51 - 10:55no nahavita izao.
-
10:55 - 10:57Ilay tany amin'i Oprah,
-
10:57 - 11:00no nanaporofo fa azo atao tsara ilay heverina fa tsy ho vita mihitsy.
-
11:00 - 11:02Ireo no nanamafy ny fahatokisan-tenanay.
-
11:02 - 11:04Saingy ireo fotoana ireo dia mbola tsy mahavita hetsika.
-
11:04 - 11:06Na atmbatra daholo ary ireo fotoana ireo
-
11:06 - 11:08dia mbola tsy ampy hanaovana hetsika.
-
11:08 - 11:09Ny mamelona ny hetsika iray
-
11:09 - 11:12dia ireo olona tsy mitonona anarana ao ambadika.
-
11:12 - 11:12Ho ahy manokana,
-
11:12 - 11:14ny nanosika ahy hanao azy io
-
11:14 - 11:16dia ny fieritreretako ireo ankizy miaramila.
-
11:16 - 11:17Noraisiko ho adiko manokana ilay izy.
-
11:17 - 11:18Nankany Afrika mihitsy ary aho.
-
11:18 - 11:20Nihaona tamin'ireo ankizy ireo.
-
11:20 - 11:21Manana namana
-
11:21 - 11:23niaina an'io ady io
-
11:23 - 11:25nandritry ny fiainany aho ary noraisiko ho adiko koa ilay izy.
-
11:25 - 11:28Fa tsy tokony ho izay no hanosika anao.
-
11:28 - 11:31mety mba tianao raha ianao no Shepard Fairey vaovao
-
11:31 - 11:34na ny J.K Rowling manaraka eo
-
11:34 - 11:36na iza na iza, tsy olana.
-
11:36 - 11:38Fa na inona na inona tianao, dia katsaho
-
11:38 - 11:40ampiasao ny anananao rehetra--
-
11:40 - 11:42tsy noho ny laza sy harena,
-
11:42 - 11:44fa noho ny zavatra inoanao fa marina.
-
11:44 - 11:45Satria izany no mampihira ny fonao.
-
11:45 - 11:48Izany no dihinao.
-
11:49 - 11:52Izany no hamaritra ny mpiray vanin'andro aminao--
-
11:52 - 11:53rehefa manomboka mikatsaka sy miady
-
11:53 - 11:54ho an'ireo zavatra tiantsika isika
-
11:54 - 11:56ary ireo zavatra tiantsika hiadiana.
-
11:56 - 11:57Fony mbola nianatra dia nivaky loha be
-
11:57 - 11:58tamin'izay eritreretin'ny hafa momba ahy aho.
-
11:58 - 12:01Izany no tena mampiavaka ity conférence ity.
-
12:01 - 12:02Betsaka aminareo no tanora tokoa.
-
12:02 - 12:04Tadiavo ilay zavatra hanainga ny sainao,
-
12:04 - 12:06tianao, ary katsaho.
-
12:06 - 12:07Miadia ho an'izay zavatra izay.
-
12:07 - 12:09Satria iany no hanova ny tontolo
-
12:09 - 12:11ary izany no mamaritra antsika.
-
12:11 - 12:13Na inona na inona eritreretin'ny hafa
-
12:13 - 12:15ireo fotoana tany amin'i Oprah, tamin'ny TED,
-
12:15 - 12:16dia tsy mamaritra ahy.
-
12:16 - 12:18Satria raha hiaraka amiko any LA ianareo,
-
12:18 - 12:20dia hahita ahy miasa manao "serveuse",
-
12:20 - 12:22manao izay afako mandoa faktiora
-
12:22 - 12:25mikatsaka ny nofiko, dia ny ho lasa mpanao horonantsary.
-
12:25 - 12:28Ao amin'ireo asa mangina, miverimberina,
-
12:28 - 12:30isan'andro ireo,
-
12:30 - 12:34dia averiko ato an-tsaiko fa miavaka aho.
-
12:34 - 12:36Ary minoa ahy ianareo, rehefa mikatona ny varavarana
-
12:36 - 12:39ary mipika ireo caméra, dia mafy tokoa.
-
12:39 - 12:41Fa raha misy zavatra iray tiako hentinareo mody,
-
12:41 - 12:42zavatra iray afaka lazaiko
-
12:42 - 12:44tsy aminareo ihany fa na amiko koa aza,
-
12:44 - 12:47dia ny asa vita no mampiavaka antsika,
-
12:47 - 12:48fa tsy ireo fotoana tany amin'i Oprah.
-
12:48 - 12:50Misaotra anareo.
- Title:
- TEDxTeen - Natalie Warne - Tanora ary mametraka tantara
- Description:
-
Tamin'i Natalie Warne 18 taona no niara-niasa tamin'ilay hetsika "invisible Children", ka nahatonga azy ho "héroine" ho an'ireo tanora "activistes". Mampatsiahy antsika izy fa tsy ny maha-tanora sy kely taona akory no mahasakana antsika tsy hanova ny zava-misy eto an-tany.
- Video Language:
- English
- Team:
- closed TED
- Project:
- TEDxTalks
- Duration:
- 12:52
Dimitra Papageorgiou approved Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact | ||
Andriankoto Ratozamanana accepted Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact | ||
Andriankoto Ratozamanana edited Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact | ||
Andriankoto Ratozamanana edited Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact | ||
Andriankoto Ratozamanana edited Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact | ||
Andriankoto Ratozamanana edited Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact | ||
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact | ||
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for TEDxTeen - Natalie Warne - Being young and making an impact |