Salama daholo. Ny reniko dia vehivavy mainty hoditra matanjaka izay nitaiza ireo zanany mba hanana izay hery sy hambom-po izay. Tao amin'ny trano nisy anay, any atsimon'i Chicago, dia nisy sary teo amin'ny rindrina nibahana tao an-tsainay. Sary anankiroa no nihantona teo amin'ilay rindrina: Sary lehibe ahitana anay mpiray tam-po ny anankiray, ary ny anankiray kosa sarin'ny mamanay fony izy roa ambiny folo taona, mibanjina an'i Martin Luther King Jr. amin'ny masony. Fony aho mbola kely dia fanaoko ny mitsingitsingina, mandinika io sary io, mikipy kely ary manofinofy hoe izaho ilay eo amin'ny sary, mijery lay lehilahy nanova zava-dehibe momba ny zon'ny olom-pirenena, nitarika matso nankeny Washington ary nanova tanteraka ny mpiray vanim-potoana taminy tamin'ny alalan'ity fehezan-teny hoe: "Nanonofy aho." Naniry ny hihaona taminy aho. Mazava ho azy fa tsy nifanojo tamin'i Dr. King mihitsy aho, saingy nihaona tamin'ni Dr. Vincent Harding kosa aho. niara-niasa hatramin'ny voalohany tamin'i Dr. King izy ary nanoratra ny sasantsasany tamin'ireo kabariny malaza indrindra mihitsy aza. Hitanareo, fotoana lehibe ho ahy tokoa io amin'ny maha-ankizy ahy tamin'izany, satria tamin'izany no nahatonga saina ahy voalohany fa tsy ny Dr. King irery no nitarika io fanovam-penitra io, fa betsaka ireo olona nanodidina azy, tsy fantatra anarana kanefa nahavita zava-dehibe ihany koa. Olona miavaka tsy fantatra anarana izay nanokan-tena hiasa ho an'ny hafa ary nitolona mafy ho an'ireo zavatra inoany fa marina. Olona nentanin'ny faharesen-dahatra fa tsy ny fankasitrahana. elaela aho vao nahazo ny tena maha-zava-dehibe an'io fotoana io, raha tsy efa lehibe kokoa. Ary arakay ny efa nolazaiko lehibe tany Chicago aho. Fiaraha-monina mahantra sy sahirana no nisy anay saingy tsy dia nivakiana loha loatra izany amin'ny maha-zaza ahy tamin'izany satria nanana ny fianakaviana tsy mampino indrindra eto an-tany aho. Zavatra roa anisan'ny niadiako fony izaho mbola zaza, ny iray dia ny aretin'ny dadanay, nandritry ny fiainako manontolo. Aretin'i Parkinson sy aretin'ny sarakaty no nahazo azy, ary amin'ny maha-zaza ahy tamin'izany dia sarotra tokoa ny nahita ity olona izay noraisiko ho "olona mahery indrindra eto an-tany", tao anaty fijaliana mafy. Ny olana faharoa dia mahakasika ahy manokana. Fantatro fa mety hiteny ianareo hoe misy olana momba ny maha-singan'olona ahy aho, Nifindra in-efatra aho nandritra ny fianarana ambaratonga ambony ary tamina sekoly feno mpanavakava-bolo-koditra be mihitsy no nanaovako ny taona voalohany tamin'ny ambaratonga ambony. Ratsy fanahy tokoa ireo ankizy tao. Nandefa taratasy maneho fankahalàna, nanoratra hafatra mamohetra tamin'ireo "placards"-nay ary satria izaho safiotra, dia hoy izy ireo tamiko hoe: "Tsy afaka ny ho izy roa ianao. Mila misafidy--na mainty na fotsy." Niafarany dia lasa nampalaina ahy ny ho mainty na ny ho fotsy. Ary tampoka teo, rehefa nifindra kilasy ambony, tany amin'ny 2008 tany ho any dia toa lasa tian'ny olona sy lasa lamaody kely ny hoe mifangaro sy metisy. Hoy ny sasany hoe:"Tsy maninona intsony ny mitia an-dry amin'izao ry Natalie. Efa milay indry izao." Leo be aho. Tena leo aho mieritreritra ny hevitry ny sasany. ary nataoko izay vitako rehetra mba hanafaingana ny fifindrako kilasy, n'inona n'inona izay sekoly hisy ahy manaraka eo, ary mila mahazo diplaoma. Tsy vita izany raha tsy efa izaho fito ambiny folo taona ka nahita ity sarimihetsika hoe: "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso" ary nisy zavatra nitranga. Ankizy miaramila. Ankizy tanora kely mitovy taona amin'ireo zana-kavako, no alaina an-keriny, omena AK47 ary asaina mamono olona, ary matetika aza dia ireo ray aman-dreniny mihitsy no terena ho vonoiny, ireo mpiray tam-po aminy. Tafika mpioko, mamono olona faobe tsy noho ny antony politika na ara-pivavahana--fa noho ny antony hafa. Dimy amby roapolo taona. Dimby amby roapolo taona izay no naharetan'ity ady ity. Roapolo taona aho izao, izany hoe mbola zokiko dimy taona io ady io. Lehilahy iray, izay nanam-peo miavaka no nanomboka an'io zava-drehetra io. Joseph Kony no anarany. Nisy zavatra nitranga teo amiko raha nahita ity sarimihetsika ity aho. Nisy zavatra nanomboka nihetsiketsika tao anatiko ary tsy mety fantatro hoe inona ilay izy. Tsy fantatro raha hatezerana ilay izy, na fiantràna, na hoe nahatsiaro diso aho satria sambany aho no nahafantatra ny fisiana ady maharitra dimy amby roapolo taona izany. Tsy vitako akory na ny hanome anarana izany. Ny hany fantatro dia toa ny nanorisory ahy ilay izy ary nanomboka nametra-panontaniana aho: Inona no ataoko? Inona no zavatra vitan'izay zaza fito amby folo taona? Omeo zavatra aho. Ary nanome tokoa izy ireo. Ireo mpamorona sy mpanatontosa ilay horonantsary "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso" dia nilaza tamiko fa misy volavolan-dalàna iray izay, raha vitako ny manao izay maha-lany azy, dia hahatongavana amin'ny zavatra anankiroa: Ny voalohany dia ny fisamborana an'i Joseph Kony, sy ireo mpibaiko ambony ao amin'io tafika mpioko io. Ary ny faharoa, ny famatsiana ny famerenana amin'ny laoniny ireo faritra potik'ity ady naharitra dimy amby roapolo taona ity. Ary hoy aho hoe:"Raikitra, aleoko ataoko izany, ary mianiana aho fa tsy maintsy hataoko iay tratrako rehetra hanatanterahana izany". Niaraka tamin'ny tanora sivifolo hafa aho valo amby folo ka hatramin'ny roampolo taona, mitovy fijery, naka fiaramanidina ho any San Diego miaraka amin'ny avy ao amin'ny "Ireo Ankizy Tsy Hita Maso" navelako mihitsy aloha ny fianarako, tsy nahazoanay karama io zavatra io, ary mety hilaza ianareo hoe tsy tompon'andraikitra aho--izany rahateo no nolazain'ny ray aman-dreniko-- saingy ho anay kosa dia hadalana izany hoe tsy handeha. Samy nahatsapa izay hamehana izay izahay ary vonona ny hanao izay vitanay hahalany io volavolan-dalàna io. Nahazo ny lahasa voalohany ary izahay: hikarakara hetsika antsoina hoe "Famonjena ireo ankizy miaramilan'i Joseph Kony" ka hatrehan'ny mpandray anjara amin'ny tanàn-dehibe aman'arivony eran-tany ary hivory eo afovoan-tanàna mandra-pahatongan'ny olo-malaza na mpanao politika ka handraisany fitenenana amin'ny anaran'ireo ankizy miaramila. Ary rehefa tratra izay tanjona izay dia holazaina hoe"voavonjy" ny tanàn-dehibe tsirairay avy. Fa ny nanahirana dia tsy mahazo mandao ilay tanàn-dehibe izahay mandra-pahavoavonjy azy. Chicago sy tanàn-dehibe sivy hafa no anjarako. ary hoy aho tamin'ireo lehibeko hoe, "Raha hitady olo-malaza ihany, maninona raha tonga dia ilay renin-tantely mihitsy?Maninona raha i Oprah Winfrey?" Nieritreritra izy ireo hoe manonofinofy loatra aho. Saingy, raha ny fahitako azy, zavatra goavana no eritreretina hatao. Zavatra tsy ho vita no atao, ka maninona raha tonga dia zavatra farak'izay tsy ho vita mihitsy no kasaina? Janoary hatramin'ny aprily no enjehina ahavitana izany. Izao no fitambaran'ny ora lany nikarakara ny fitaovana, ny fahazoan-dàlana hatramin'ny famoriana ireo mpandray anjara ary ny fitadiavana ireo toerana. Izao indray ny isan'ny fandàvana avy amin'ireo sekireteran'ny mpanao poltika sy olo-malaza. Izao kosa ny vola laniko manokana tamin'ny Red Bull sy Diet Coke mba handresena torimaso nandritra ny fikarakarana. (Hehy) Afaka mitsara ahy ianareo raha tianareo. Ito ny faktioran'ny hopitaly tamin'izaho nitsabo ilay aretin'ny voa azoko noho ny fisotroako kafe be loatra. Sombiny amin'ireozavatra tsy misy dikany vitsivitsy ireny izay nataonay mba hahavita io hetsika io. Tonga ihany ny faha iraikamby roapolon'ny volana aprily ary nanomboka ilay hetsika. tanàn-dehibe an'arivony eran-tany--tanàn-dehibe mahafinaritra. enina andro tay aoriana, voavonjy avokoa ireo tanàna ireoafa-tsy iray ihany: Chicago. Niandry tao an-tanàna ary izahay. Nanomboka tonga avy amin'izao tontolo izao ny olona, mba hanatevin-daharana ary hampiaraka ny feony aminay. Nony farany, ny voalohan'ny volana may, nitangorona tao amin'ny studion'i Oprah izahay. ary nihaino anay izy. Ity misy sombiny tamin'ilay horonantsariny "Together We are Free" mampiseho ilay hetsika famonjena sy ireo ezaka nataoko hahazoana an'i Oprah. (Video) Oprah: Voalohany raha nankaty amin'ny birao aho tamin'ny maraina dia nisy ity... Rehefa niditra daholo ianareo, mbola nisy olona nitangorona moa tany ivelany? Mpijery: Eny. Oprah: ... nilanja sora-baventy ry zareo mangataka ny hiresaka amiko mandritry ny dimy minitra, ary mahafaly ahy izany ary niaraka tamin'ilay tarika antsoina hoe "Invisdible Children" ry zareo dia nilazako ilay olona tao ivelany hoe afaka hiresaka aminy dimy minitra aho. Lehilahy iray tao anaty olona: Oprah, misaotra betsaka anao mandray anay. Raha tsorina dia ireto olona tatsy ivelany dia nahita ny tantaran'ireo ankizy telo alina nalain'ny sefo miaramila mpioko, antsoina hoe Joseph Kony, an-keriny. Ary izay firaisan-kina izay no nampivory azy ireo tao efa ho enina andro izay. Olona iray hetsy maneran-tany no niantombohany. Nidina dimanjato izany ary mbola mijoro, mampahafantatra ny fisian'ity olana ity ahafahantsika mamarana ilay ady lava indrindra tany Afrika ka mamonjy ireo ankizy miaramila izay mbola misy any Afrika Atsinanana. Lehilahy iray: Oprah, Natalie no anaran'ity sipakely ity, valo amby folo taona izy. Intern tao aminay izy tamin'ity taona ity ary nilaza hoe: "Ny tanjoko dia ny hahazo an'i Oprah." Nahatarika olona roa arivo izy tamin'ny sabotsy saingy nanorana tamin'izay. Nijoro teo amin'ny orana teo izy niraka tamin'ny olona dimampolo. Raha naheo ry zareo hoe teo izy dia nanomboka tonga. Misy avy any Mexico , Aostralia. Valo amby folo taona i Natalie. Aza mieritreritra hoe tanora loatra ianao. Afaka manova ny zava-misy ianao na oviana na oviana. Atombohy izao, atombohy androany. (Fankasitrahana) Lehilahy iray tao anaty vahoaka: Nendrika natao ve ilay izy? Vahoaka: Ie! Natalie! Natalie! Natalie! Afaka isika raha mitambatra! Afaka isika raha mitambatra! (Tehaka mirefodrefotra) hieritreritra ianao hoe io no fotoana tamin'ny fiainako, ny andro fandresena nahatonga ahy ho olona miavaka. Ary fotoana nahafinaritra tokoa io. Ny tiako ho tenenina, tonga teny an-tampony aho. Olona an-tapitrisa no mijery ny fandaharan'i Oprah Winfrey. Fa raha atao jery todika, tsy izay ilay izy. Aza disoana aho, raha niteny hoe fotoana lehibe io. Nataoko sary "profil" milay be tamin'ny Facebook nandritry ny herinandro io. Saingy niavaka io nandritry izany rehetra izany. Ary tsy izaho irery. Hitanareo, na dia hita atao anatin'ny horonantsariny ary ny tantarako, dia "interne" iray tao anatin'ny zato aho nanao ny ainy tsy ho zavatra ahatrarana izao tanjona izao. Lanjaina aho, fa ilay bandy izay manao ahy antsangory, dia namako be mihitsy. Johannes Oberman no anaranay niara-niasa tamiko hatramin'ny voalohany tany Chicago i Johannes-- mitovy ny halavan'ny ora, ny alina tsy natoriana nandalovanay. Ilay sipakely eo ankavanana dia i Bethany Bylsma. Bethany no niandraikitra an'i New york City sy Boston ary ireo no hetsika tsara indrindra vitanay. Ilay sipakely eo ankavia dia i Colleen. Nankany Mexico i Colleen, nadritry ny telo volana, nikarakara hetsika dimy, kanefa voatery niala alohan'ny hanombohan'ny hetsika nohon'ny valan'aretina "gripan'ny kisoa". Ary nisy ihany koa an'ity fianakaviana iray. Tsy nanatrika ilay hetsika ry zareo, tsy afaka, fa nampividy pizza zato ho anay, naterina teo amin'ny kihon-dàlan'iMichigan sy Randolph izay nanaovanay ilay hetsika mangina. Hitanareo, olona toy ireo, manao izay afany, miara-mientana, miray saina, tsy miraharaha namisy mahita na tsia-- no nahatanterahana izao rehetra izao. Tsy dia ilay hoe fahazoana an'i Oprah akory. Satria raha nidina teo an-tsangory aho, dia tsy tapitra akory ilay ady. Fa momba ity volavolan-dalàna. Dingana iray tsy maintsy nandalovana fotsiny i Oprah. Ilay volavolan-dalàna no tena zava-dehibe. Io no nifantohana hatramin'ny voalohany. Io no afaka hamarana ilay ady lava indrindra tany Afrika, ary io no nahatonga ireo olona anketsiny tonga hamonjy avy amin'ny vazan-tany efatra. Ary nody ventiny ny rano nantsakaina. Folo andro taorian'ny nahitana an'i Oprah, nodinihan'ny Kongresy ilay volavolan-dalàna. Iray taona taorian'izay, nahazo mpanohana fito amby enimpolo sy roanjato ilay izy tao amin'ny kongresy. Ary herinandro taorian'izay, nosoniavin'i filoha Obama ka lasa lalàna ilay izy. (Tehatehaka) Ary tsy izahay "internes" ireo no tokony ho eo. Tsy tokony ho eo izahay. Ireo lehibenay no teo. Ry zareo ireo olona niketrika tao ambadika. (Hehy) Saingy io fotoana io no anton'izany rehetra izany. Olona tsy mitonona anrana anketsiny no nahavita izao. Ilay tany amin'i Oprah, no nanaporofo fa azo atao tsara ilay heverina fa tsy ho vita mihitsy. Ireo no nanamafy ny fahatokisan-tenanay. Saingy ireo fotoana ireo dia mbola tsy mahavita hetsika. Na atmbatra daholo ary ireo fotoana ireo dia mbola tsy ampy hanaovana hetsika. Ny mamelona ny hetsika iray dia ireo olona tsy mitonona anarana ao ambadika. Ho ahy manokana, ny nanosika ahy hanao azy io dia ny fieritreretako ireo ankizy miaramila. Noraisiko ho adiko manokana ilay izy. Nankany Afrika mihitsy ary aho. Nihaona tamin'ireo ankizy ireo. Manana namana niaina an'io ady io nandritry ny fiainany aho ary noraisiko ho adiko koa ilay izy. Fa tsy tokony ho izay no hanosika anao. mety mba tianao raha ianao no Shepard Fairey vaovao na ny J.K Rowling manaraka eo na iza na iza, tsy olana. Fa na inona na inona tianao, dia katsaho ampiasao ny anananao rehetra-- tsy noho ny laza sy harena, fa noho ny zavatra inoanao fa marina. Satria izany no mampihira ny fonao. Izany no dihinao. Izany no hamaritra ny mpiray vanin'andro aminao-- rehefa manomboka mikatsaka sy miady ho an'ireo zavatra tiantsika isika ary ireo zavatra tiantsika hiadiana. Fony mbola nianatra dia nivaky loha be tamin'izay eritreretin'ny hafa momba ahy aho. Izany no tena mampiavaka ity conférence ity. Betsaka aminareo no tanora tokoa. Tadiavo ilay zavatra hanainga ny sainao, tianao, ary katsaho. Miadia ho an'izay zavatra izay. Satria iany no hanova ny tontolo ary izany no mamaritra antsika. Na inona na inona eritreretin'ny hafa ireo fotoana tany amin'i Oprah, tamin'ny TED, dia tsy mamaritra ahy. Satria raha hiaraka amiko any LA ianareo, dia hahita ahy miasa manao "serveuse", manao izay afako mandoa faktiora mikatsaka ny nofiko, dia ny ho lasa mpanao horonantsary. Ao amin'ireo asa mangina, miverimberina, isan'andro ireo, dia averiko ato an-tsaiko fa miavaka aho. Ary minoa ahy ianareo, rehefa mikatona ny varavarana ary mipika ireo caméra, dia mafy tokoa. Fa raha misy zavatra iray tiako hentinareo mody, zavatra iray afaka lazaiko tsy aminareo ihany fa na amiko koa aza, dia ny asa vita no mampiavaka antsika, fa tsy ireo fotoana tany amin'i Oprah. Misaotra anareo.