Fanaovam-baksiny, fitiliana
ary ireo fanafody
dia mety haharitra ela
na dia misy aza ny hamehana
ara-pahasalamana, toy ny Covid-19.
Mba hahazoana haingana azy ireo,
WHO dia namolavola
ny EUL-Emergency Use Listing.
Ity horonantsary ity dia manazava
ny fomba fiasan'ny EUL.
Alohan'ny hanaovana vaksiny,
ireo fanafody ary ny fitsapana diagnostika
dia tsy maintsy hadihadihana izy ireo
mba hahazoana antoka ny kalitao,
fiarovana ary fahombiazana
manara-penitra.
Miaro ny olona izany
avy amin'ny loza mety hitranga
ary miantoka ireo vokatra izay
tian'izy ireo atao :
misoroka, mitsapa
ary mitsabo aretina.
Fa maro ireo firenena no
tsy manana ny loharanon-karena
mba hanatanterahana
izany dingana lehibe izany,
izay mety hiteraka fahatarana
amin'ny fahazoana vokatra mamonjy aina
ho an'ireo izay tena mila izany.
Mbola sarotra kokoa ny fanamby
rehefa misy aretina vaovao,
toy ny Covid-19.
Vokatra vaovao momba ny
fahasalamana Covid-19
dia tsy maintsy jerena
tena haingana
mba hahazoana antoka fa mahomby izy ireo
ary azo ampiasaina.
Mba hanafainganana
ireo dingana ireo,
WHO dia nanangana
Emergency Use Listing - EUL,
izay manombana ny mety
ho vokatra ara-pahasalamana
amin'ny risika mifanohitra
amin'ny tombontsoa.
Ho an'ny fitsapana,
Izahay dia hijery ny kalitao misy,
angon-drakitra momba
ny fiarovana sy ny zava-bita
miaraka amin'ireo
manam-pahaizana tsy miankina.
Efa nisy ny fitiliana Covid-19 maromaro
nanaraka ny fepetra takinay
ary efa voatanisa ho ampiasaina.
Ho an'ny vaksiny sy fanafody,
manombana ny angon-drakitra izahay
avy amin'ny fitsapana klinika
ary angona hafa momba ny fiarovana,
fahombiazana sy kalitao,
ary manasa manampahaizana
avy amin'ny manampahefana
ara-pahasalamana nasionaly
mba hijery azy ireo koa.
Ny vaksiny, ny fanafody
na fitsapana
rehefa tafiditra ao amin'ny lisitry
ny fampiasana vonjy taitra
dia miara-miasa amin'ireo
mpiara-miombon'antoka sy manampahaizana
izay hanazavana ny tombontsoa azony
ary manampy
amin'ny fizotran'ny fankatoavana
any amin’ny firenena samihafa.
Fa tsy mijanona eo anefa izahay.
WHO dia hanao fanaraha-maso tsy tapaka
ny kalitaon'ny vokatra rehetra.
Ny tanjona:
hanohanana firenena
manerana izao tontolo izao
mba hanomezana kalitao avo lenta,
vakisiny azo antoka sy mahomby,
fitsapana ary fanafody
haingana sy azo antoka
araka izay azo atao.