Andro Pentekosta tamin'io, ary izahay tao
amin'ny efitrano iray ambony
rihana tao Jerosalema.
Nivavaka tao anaty firaisam-po
izahay rehetra.
Nanao vavaka fivalozana sy
fanetren-tena izahay,
ary nibebaka noho ny otanay.
Nikatsaka ny tsindrimandrin'ny Tompo
sy ny heriny ary ny Fanahy
Masina ihany koa izahay.
Nisy fahatsapana ho iray tsy misy toa izany
taminay teo am-pivavahana
am-pikatrohana mafy.
Tampotampoka teo dia nisy feon-drivotra
mahery nifofofofo
izay nanenika ilay efitrano nisy anay.
Avy eo nisy lela maro mitarehin'afo nidina
ary nipetraka tamin'ny olona
tsirairay izany lelan'afo izany.
Heniky ny Fanahy Masina avokoa ny olona
tao amin'ilay efitrano.
Ka izao, tadidio fa tamin'ny
andro Pentekosta
dia nisy olona avy amin'ny
firenena maro tonga hivavaka,
ary izao, tampoka teo dia afa-nandre
ny Filazantsara tamin'ny
tenim-pireneny tsirairay avy izy ireo.
Vokatr'izany, olona 3000 no nanampy isa
ny mpino tao anatin'ny andro iray.
Ary ireo olona ireo nanokan-tena
tamin'ny fampianaran'ny Apostoly
sy ny fiombonana,
ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
Isan'andro, nihaona teo an-tokotanin'ny
tempoly izy ireo.
Any an-tranony, niara-namaky mofo sy
niara-nihinana izy ireo,
ary nitombo isan'andro ny
isan'ireo voavonjy.