Andro Pentekosta tamin'io, ary izahay tao amin'ny efitrano iray ambony rihana tao Jerosalema. Nivavaka tao anaty firaisam-po izahay rehetra. Nanao vavaka fivalozana sy fanetren-tena izahay, ary nibebaka noho ny otanay. Nikatsaka ny tsindrimandrin'ny Tompo sy ny heriny ary ny Fanahy Masina ihany koa izahay. Nisy fahatsapana ho iray tsy misy toa izany taminay teo am-pivavahana am-pikatrohana mafy. Tampotampoka teo dia nisy feon-drivotra mahery nifofofofo izay nanenika ilay efitrano nisy anay. Avy eo nisy lela maro mitarehin'afo nidina ary nipetraka tamin'ny olona tsirairay izany lelan'afo izany. Heniky ny Fanahy Masina avokoa ny olona tao amin'ilay efitrano. Ka izao, tadidio fa tamin'ny andro Pentekosta dia nisy olona avy amin'ny firenena maro tonga hivavaka, ary izao, tampoka teo dia afa-nandre ny Filazantsara tamin'ny tenim-pireneny tsirairay avy izy ireo. Vokatr'izany, olona 3000 no nanampy isa ny mpino tao anatin'ny andro iray. Ary ireo olona ireo nanokan-tena tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana, ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana. Isan'andro, nihaona teo an-tokotanin'ny tempoly izy ireo. Any an-tranony, niara-namaky mofo sy niara-nihinana izy ireo, ary nitombo isan'andro ny isan'ireo voavonjy.