Ludwick Marishane: Mandro tsy misy rano
-
0:00 - 0:03Tao Limpopo no nahalehibe ahy, sisin-tany manasaraka an'i Limpopo
-
0:03 - 0:06sy Mpumalanga, tanàna kely iray antsoina hoe Motetema.
-
0:06 - 0:09Tsy dia azo antoka izay ihany ny famatsian-drano sy jiro,
-
0:09 - 0:13toy ny toetrandro tsy mena-mivadika, ary ny niaina tao anatin'izany toe-javatra sarotra izany,
-
0:13 - 0:16teo amin'ny faha-17 taona, niara-nanala azy tamina namana maromaro aho,
-
0:16 - 0:19ririnina ny andro tamin'izay, nitaninandro izahay.
-
0:19 - 0:22Mahamay be ny masoandro any Limpopo rehefa ririnina.
-
0:22 - 0:25Teo am-pitanihana andro dia niteny tamiko ilay namako teo akaikiko.
-
0:25 - 0:28"O lety e, tokony mba misy olona mamorona zavatra
-
0:28 - 0:32ahosotra amin'ny hoditra l'ty dia tsy mila mandro intsony a!"
-
0:32 - 0:36Nipetraka aho ary namaly hoe: "tonga dia vidiako be raha misy an'izany!"
-
0:36 - 0:40Nody aho rehefa avy eo, ary nanao fikarohana kely,
-
0:40 - 0:43ary nahita ireto antontan'isa nanaitra ireto.
-
0:43 - 0:46Ankehitriny dia maherin'ny 2,5 lavitrisa ny olona eto an-tany
-
0:46 - 0:49no tsy manana rano madio sy fidiovana manara-penitra.
-
0:49 - 0:51450 tapitrisa amin'ireo no any Afrika,
-
0:51 - 0:54ary 5 tapitrisa amin'izany ao Afrika Atsimo.
-
0:54 - 0:56Betsaka ireo aretina miroborobo ao anatin'ny tontolo toa izany,
-
0:56 - 1:00ny tena mampivarahontsana amin'ireo dia ny "trachome".
-
1:00 - 1:03Aretin'ny maso vokatry ny loto
-
1:03 - 1:06mankany amin'ny maso izy io. Mety miteraka
-
1:06 - 1:09fahajambana tanteraka ny Trachome raha mihombo be loatra.
-
1:09 - 1:128 tapitrisa ny olona efa jamban'ny trachome
-
1:12 - 1:15isan-taona. Ny tena mampivarahontsana amin'ilay izy
-
1:15 - 1:18dia zavatra tsotra kely toy ny
-
1:18 - 1:20fanasàna tarehy no hany fisorohana ny "trachome":
-
1:20 - 1:22tsy mila fanafody na tsindrona.
-
1:22 - 1:25Rehefa nahita ireo antontan'isa ireo aho, dia nieritreritra,
-
1:25 - 1:28"Na dia hoe tsy ho ahy aza,
-
1:28 - 1:30sy ny hoe izaho tsy tia mandro, farafaharatsiny mba tokony hanao zavatra aho
-
1:30 - 1:33hanavotana an'izao tontolo izao." (Hehy)
-
1:33 - 1:38Nampiasaiko ny Nokia 6234-ko--
-
1:38 - 1:41Tsy nanana solosaina portable aho, tsy dia mbola afaka nigalabona tamin'ny aterineto ihany koa,
-
1:41 - 1:44ankoatran'ilay cybercafé andoavana 20 rand isan'ora eo an-tanàna--
-
1:44 - 1:47nanao fikarohana tamin'ny Wikipedia, Google aho momba ireo fanafody ahosotra,
-
1:47 - 1:51herotra fanosotra, ireo taharo, ny mari-pàna mampitsonika azy, ny heriny sy ny loza mety aterany--
-
1:51 - 1:52Nianatra siansa aho teny amin'ny Anjerimanontolo--
-
1:52 - 1:56ary namorona raikipohy (formule) kely, nataoko an-taratasy,
-
1:56 - 1:59ary toy ila sakay kely mampiavaka ny akoho nendasina KFC ilay izy, azonareo angamba ny tiako hambara.
-
1:59 - 2:02Vonona ity ny "formule".
-
2:02 - 2:04Mila fampiharana sisa.
-
2:04 - 2:08Efatra taona taty aoriana, rehefa vita ny drafitra tetikasa
-
2:08 - 2:1140 pejy natao tamin'ny finday,
-
2:11 - 2:13vita koa ny brevet,
-
2:13 - 2:16izaho no zandriny indrindra amin'ireo manana brevet d'invention ao amin'ny firenena,
-
2:16 - 2:19ary--("Tsy mila mandro intsony!")--
-
2:19 - 2:21Izany ihany no azoko lazaina. (Hehy)
-
2:21 - 2:25Namorona ny DryBath aho, fanosotra voalohany eto an-tany
-
2:25 - 2:28mahasolo ny fandroana amin'ny rano.
-
2:28 - 2:32Ahosotra amin'y hoditra izy io, dia tsy mila mandro intsony avy eo.
-
2:32 - 2:37(Hehy)
-
2:37 - 2:39Rehefa nezahana izay nampety azy teny amin'ny Anjerimanontolo,
-
2:39 - 2:43niaraka tamin'ny enti-manana kely nananana, dia niakatra fianarana ambony aho,
-
2:43 - 2:45nahafantatra olona vitsivitsy, nampihatra azy,
-
2:45 - 2:49ary niafarany dia nahavita ity vokatra mahomby
-
2:49 - 2:51izay vonona ny hamidy eny an-tsena. Efa azo vidiana eny amin'ny tsena io izao.
-
2:51 - 2:54Betsaka ireo lesona azo tamin'ny fivarotana
-
2:54 - 2:57sy famatsiana ny DryBath.
-
2:57 - 2:59Ny iray tamin'ireo dia ny olona avy amin'ny fiaraha-monina sahirana
-
2:59 - 3:01dia tsy mividy vokatra ambongadiny.
-
3:01 - 3:04Mividy an-tsinjarany no ataony. Ny olona any Alex dia tsy mividy sigara
-
3:04 - 3:06amin'ny fonosany. Sigara iray no vidiany
-
3:06 - 3:09isan'andro, na dia lafolafo kokoa ary izany.
-
3:09 - 3:11Noho izany dia natao tamin'ny fonosany madinika ny DryBath.
-
3:11 - 3:14Tatahana ilay fonosany dia potserina hivoaka ny ao anatiny.
-
3:14 - 3:18ary ny milay aminilay izy, dia ny iray fonosana dia mahasolo fandroana iray
-
3:18 - 3:20ary andoavana 5 rand.
-
3:20 - 3:23Rehefa vita io modely io, dia betsaka koa ireo lesona azo
-
3:23 - 3:24momba ny famatsina ilay vokatra.
-
3:24 - 3:27Hitanay fa na ireo zanaky ny mpanana avy any amin'ny sisin-tanàna aza
-
3:27 - 3:29dia nila ny DryBath. (Hehy)
-
3:29 - 3:31Na dia hoe indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza.
-
3:31 - 3:34Na dia izany aza, tsapanay fa afaka mitsitsy rano 80 tapitrisa litatra izahay
-
3:34 - 3:37isaky ny tsy mampiasa rano handroana ny olona
-
3:37 - 3:40ary ora roa isan'andro ihany koa no tombony azon'ny ankizy
-
3:40 - 3:43any amin'ireo faritra mbanivolo, mitombo adiny roa izany ny ora any an-tsekoly,
-
3:43 - 3:45adiny roa fanampiny hanaovana enti-mody,
-
3:45 - 3:48ary adiny roa tsotra izao hilalaovany amin'ny maha-zaza azy.
-
3:48 - 3:50Rehefa hita ireo vokany isan-karazany ireo dia natao
-
3:50 - 3:53izay hifantohany amin'ny hevi-dehibe ijoroany,
-
3:53 - 3:55dia ny fahadiovana sy ny fanamorana ny fiainana.
-
3:55 - 3:57Manamora ny fiainan'ny mpanana ny DryBath
-
3:57 - 4:00ary mamonjy ny sahirana ihany koa.
-
4:00 - 4:03Rehefa vita ny fampiharana rehetra,
-
4:03 - 4:05dia eo an-dàlana hivarota azy
-
4:05 - 4:08amina orinsa lehibe maneran-tany iray izahay hivarotra azy amin'ny mpaninjara,
-
4:08 - 4:12ary fanontaniako aminareo androany dia ny hoe,
-
4:12 - 4:14Avy amin'ireo làlana vatovato any Limpopo,
-
4:14 - 4:1850r and isan-kerinandro no vatsy,
-
4:18 - 4:21Into aho ankehitriny nahita fomba iray hialàna amin'ny fandroana.
-
4:21 - 4:24Inona no manakana anareo? (Tehaka)
-
4:24 - 4:27Mbola tsy vita.Mbola tsy vita.
-
4:27 - 4:30Ary ny lesona lehibe iray ihany koa
-
4:30 - 4:31nadritra io tantara rehetra io,
-
4:31 - 4:36dia voahosotry Google ho anisan'ireo saina mahiratra indrindra eto an-tany aho.
-
4:36 - 4:38Izaho ihany koa no mpianatra sady mpandraharaha mahay indrindra
-
4:38 - 4:41eto an-tany, Afrikanina voalohany nahazo izay fankasitrahana izay
-
4:41 - 4:46ary ny zavatra tena mba nahagaga ahy
-
4:46 - 4:50dia ny tsy fitiavako mandro no nahavitako an'izany rehetra izany. Misaotra tompoko.
-
4:50 -(Tehaka.)
- Title:
- Ludwick Marishane: Mandro tsy misy rano
- Speaker:
- Ludwick Marishane
- Description:
-
Raha iray kilometatra isan'andro no alehanao hahazoanao rano iray siny, toa ny ataon'ny olona an-tapitrisany eto an-tany, mety tsy ho lanianao handroana kosa angamba iny rano iny fa lafo vidy loatra. Mitantara ny fomba nahatongavany tamin'ny famoronany ity akora mora vidy, madio ary manamora fiainana: ny DryBath, fanosotra voalohany eto an-tany mahasolo ny fandroana, i Ludwick Marishane, mpianatra mpandraharaha vao erotrerony. Tantara mahatsikaiky ihany nefa mahavariana ihany koa.
- Video Language:
- English
- Team:
- closed TED
- Project:
- TEDTalks
- Duration:
- 05:13
Dimitra Papageorgiou approved Malagasy subtitles for A bath without water | ||
Rijaniaina Randrianomanana accepted Malagasy subtitles for A bath without water | ||
Rijaniaina Randrianomanana edited Malagasy subtitles for A bath without water | ||
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for A bath without water | ||
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for A bath without water | ||
andry ravololonjatovo edited Malagasy subtitles for A bath without water | ||
andry ravololonjatovo added a translation |